FANAMBOARANA NY RN 13
INONA NO TENA ZAVAMISY MARINA ?

Tsy hanao politika intsony aho raha tsy vita ny RN13, hoy i Andry Rajoelina ny 4 oktobra 2020, ary lasa mampiady hevitra etsy sy eroa io. Telo taona latsaka kely aty aoriana, aiza ho aiza ary izao ny asa, inona ny zavamisy marina ?

IHOSY – TOLAGNARO
Mampifandray faritra 3 dia Ihorombe, Androy ary Anôsy ny lalam-pirenena faha 13 (RN13). Miainga eo Ihosy ka hatrany Tolagnaro ary mirefy 493 km.

AMPAHANY IHANY
Mandeha tokoa ny asa fanamboarana ny RN13 saingy ampahan-dalana ihany dia “Ambovombe -Tolagnaro” mirefy 114km.Fiaraha-miasa amin-dry zareo Eoropeanina io.Asa mbola miandry izany ny ampahan-dalana Ihosy – Betroka (120 km) sy Betroka – Ambovombe (263 km).Tsy mbola misy resaka mazava hoe rahoviana no hanombohan’ny asa amin’ireo ampahany 2 ireo.

TSY HO AMIN’ITY TAONA ITY
Na inona na inona resahana, ny azo antoka aloha dia tsy ho vita amin’ity taona 2023 ity ny RN13 Ihosy – Tolagnaro satria na ilay ampahany voalohany Ambovombe-Tolagnaro aza, izay io no fohy indrindra mbola tsy hay hoe rahoviana no tena ho vita ara-dalàna.






Source From : Tia Tanindrazana