Fiadanana o. Mofon’aina ho anao.
Alatsinainy 03 Aprily 2023.
Sal. 41: 4 – 13
NY HERIN’NY FITSANGANAN’NY TOMPO
“Fitarainan’ilay ampahorin’ny olon-tsy tia sy ny sakaiza mamadika.”
Hoy Jesoa:
🎋Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Mat. 5: 10 🎋
Ny fivavaky ny olona araka ny fon’i Jehovah (Davida), ao anatin’ny fampahoriana:
– Mangataka famindram-po amin’i Jehovah and-4
👉Satria mahatsiaro ho marary, reraka ny fanahy, ary indrindra, mahatsiaro ” efa nanota tamin’i Jehovah ” and-4
🎋Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo,… Isa. 59: 2 🎋
– Mitanisa ny zavatra manjo amin’ny antsipirihany. and-5-9
👉Tia resaka ny Andriamanitsika, ka na dia efa tsy misy miafina aminy aza ny fiainantsika dia Izy ihany hiantorahana ao amin’izay mahazo antsika fa tsy lalodalovana ny sofiny, ary mamaly vavaka Izy.
– Ao amin’i Jehovah no hitokiana sy hianteherana hahazoana hery hiatrehana izany rehetra izany. and-10
Hoy Davida:
🎋Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy,
Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin’ny fampahoriana Hianao. 2 Sam. 22: 2 – 3🎋
– Nangataka famantarana tamin’i Jehovah i Davida mba hanamafisany ny tokiny fa mamaly vavaka azy hatrany i Jehovah tahaka ny efa niainany hatrizay. and-11
☝️Davida dia tsy miolakolaka eo anatrehan’i Jehovah. Apetrany mivelatra eo anatrehan’i Jehovah hatrany ny fiainany sy ny any amin’ny fony sy ny fisainany rehetra; ary manana toky izy noho izany fa eo anatrehan’i Jehovah mandrakizay ny momba ny fiainany. and-12
🎋Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’Andriamanitra. Mat. 5: 8🎋
– Efa azon’i Davida antoka ny valim-bavaka, ka na dia mbola ao anatin’ny fahoriana aza izy dia efa misaotra an’i Jehovah noho ny famonjena azy, izay efa azony antoka, satria Andriamanitra matoky no ivavahany. Ary nofaranany tamin’ny “Amena dia Amena” izany. and-13
Amena dia Amena: milaza ny halehiben’ny finoan’i Davida , mandeha amin’ny fahamarinana, ao anatin’ny fiandrasana amim-panantenana ny homen’i Jehovah rariny.
Hoy ny Tompo amintsika:
🎋Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao. Jao. 16: 33🎋
🌹Angataho isan’andro ny famindram-pon’i Jehovah aminao.
🌹Ambarao aminy ny fahadisoanao, sy ny manjo anao.
🌹Angataho aminy ny hery hiatrehanao ny fiainanao.
🌹Asehoy Azy fa mikatsaka ny fahamarinany ianao.
Dia hanamarina ny teniny aminao Izy:
🎋Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Mat. 6: 33🎋
HIRA FFPM: 470 – Ny foko, ry Mpamonjy
1. Ny foko, ry Mpamonjy,
Mangetaheta Anao ;
Maniry lalandava
Hikambana aminao !
Fiv : Tsy afaka ao am-poko
Ny faniriana Anao ;
Oneno re ny foko
Ho lapanao !
2. Ny androm-pahoriana,
Raha lapanao ny fo,
Manjary fitahiana
Izay manadio ny fo !
Fiv : Tsy afaka ao am-poko, sns…
3. Ny ora fifaliana
Raha ao anilanao,
Mamelom-paniriana
Hanao ny sitrakao !
Fiv : Tsy afaka ao am-poko, sns…
4. Ho lao ny fahotako
Raha akaikezinao,
Tsy misy hadalako
Izay tsy afakao !
Fiv : Tsy afaka ao am-poko, sns…
5. Finaritra ny saiko
Raha ipetrahanao,
Fa reraka ny aiko
Raha alavirinao !
Fiv : Tsy afaka ao am-poko, sns…
Ho voninahitr’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahay Masina. Amena.
Tahian’ny Tompo.
Source From : Carol Ramaroson