Fiadanana. Mofon’aina ho anao.
Alarobia 05 Aprily 2023.
Lio. 19: 29 – 44
NY HERIN’NY FITSANGANAN’NY TOMPO
JESOA NIVERINA AMIM-BONINAHITRA TAO JEROSALEMA.
👉 Fahatanterahan’ilay faminaniana tao amin’i Zakaria :
“Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. — Zakaria 9 : 9” and-30, 35
☝️ Ny Tompo = Andriamanitra, mahalala ny zavatra hiseho amin’ny ho avy amin’ny antsipirihany. and-31, 32, 33, 34
👉 Isika kosa:
. Efa nofidiany
. Efa novonjeny
. Efa nirahiny
. Mila manatanteraka izay nolazainy mba ahitantsika ny voninahiny.
☝️ Na zana-boriky aza dia misy ilàna azy. Mainka fa isika olombelona noharian’Andriamanitra tahaka ny endriny? Nasiany fofon’aina mahavelona?
👉 Aza manao ny tenanao ho tsy misy ilàna azy ao anatin’ny fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra. Samy SPECIAL isika ho an’Andriamanitra. Efa nataon’ny Tompo ho sakaizany sady zanak’Andriamanitra. ❤❣
– Nanaja fatratra sy nihoby an’i Jesoa ny vahoaka. and-36
– Nihoby an’Andriamanitra ny mpianatra noho ireo fahagagana rehetra efa hitany nataon’i Jesoa. and-37- 38
👉 Miasà mandrakariva ho an’ny Tompo, fa hahatonga olona maro hidera an’Andriamanitra izany.
☝️Tsarovy koa nefa fa tsy maintsy hisy hatrany ireo tsy mahazaka mandre izany vokatry ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra izany. and-39
👉 Miderà Mihobia, fa hain’i Jehovah no mampiteny ny vato raha tsy hidera an’Andriamanitra isika. and-40
😪 Jesoa nitomany ny tanàna. and-41
(Mba andramo soloina an’i Madagasikara anie ny hoe ny tanàna e.)
☝️ Ireo vahoaka ireo ihany no handà Azy aoriana kely ao. Mampahatsiahy ity teny ity:
“… hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin’ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony,… — Isaia 29 : 13″
Hoy ihany koa Jesoa hoe:
” Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin’ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! — fa ankehitriny miafina amin’ny masonao izany. and- 42″
☝️Tandremo sao ny fahagagana ihany no antony hideranao ny anaran’Andriamanitra, nefa hay ianao tsy mbola nandray Azy akory, mbola tsy manana ny fiadanana, hatramin’izay efa nandrenesanao ny anaran’ny Tompo izay.
Fa hotanterahan’Andriamanitra aminao tokoa ny fahatezerany sy ny fandringanany anao. and-43- 44
🌹 Aiza amin’ny fiainanao no hametrahanao ny Tompo?
🌹 Inona no vokatry ny nandrenesanao ny momba ny Tompo eo amin’ny fiainanao?
🕊 Miverena aminy dieny mbola miantso anao Izy, mba tsy hilatsahan’ny fahatezerany aminao.
164 – Jesosy irery ihany
1. Jesosy irery ihany;
Filazantsara soa
Nentin’ireo mpanompo,
Torina aminao.
Maizina avokoa
Izao rehetr’izao
Nefa he ny mazava
Naposaka aminao.
2. Jesosy irery ihany
No ivavahana.
Ny Anarany irery
no fanavotana.
Ny olona rehetra
no handohalika
Ety an-tany ka ha-
trany an-danitra.
3. Jesosy tsy miova
omaly sy anio.
Ary mandrakizay fa
tsy mba mamitaka;
Mifona ho antsika
Eo an-kavanan-dRay.
JESOSY IRERY IHANY
Re no isaorana!
Ho voninahitr’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Amena.
Tahian’ny Tompo.
Source From : Carol Ramaroson