FANKALAZANA NY 26 JONA 2023 : NISOKATRA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FIVOARINA FIKARAKARANA NY FANKALAZANA
✳️ Nosakafana tamin’ny fomba ofisialy androany maraina teto Ampahibe ny fivoriana fanomanana ny fankalazana ny faha 63 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara ataon’ny Komity Teknika Nasionaly manomana ny fankalazana (CTNO).
👉 Nanome voninahitra ny fotoana sy nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ny Jeneraly RAKOTOARIJAONA Josoa, niaraka tamin’ny Filoha mpitarika ny komity, ny Jeneraly JOASITERA Rollando.
📌 Notsindrin’Andriamatoa Minisitra nandritra ny lahateny nataony ny tokony hisian’ny firaisankina sy fifankatiavana eo amin’ny samy Malagasy na ny eto an-Tanindrazana na any ivelany ahafahana mankalaza ny fetin’ny fahaleovantena ao anatin’ny fifaliana sy ny filaminana tanteraka.



