Fiadanana. Mirary fetin’ny fandresena ao amin’ny Tompo ho anao.
Mofon’aina ho anao.
Fil. 3: 1 – 11
NY HERIN’NY FITSANGANAN’NY TOMPO
Paoly voatana tany am-ponja, mankahery ireo kristiana tao Filipia noho ireo fampianarana sandoka maro mampiroroha saina sy manozongozona ny finoan’ireto farany.
☝️Azontsika raisina ho an’ny tenantsika izany fampitandreman’i Paoly izany.
– Manantitrantitra hatrany izy ny mba hifalian’ny kristiana ao amin’ny Tompo. and-1
🤔 Ary ianao? Ao amin’ny inona no mba ifalianao?
– Mampitandrina ireo kristiana i Paoly ny amin’ny mpaminany sandoka, mpilaza lainga, mpanao fampianarana mifono filozofia grika toa mahasarika ny maro, nefa tsy mitondra any amin’Ilay tena famonjena akory, dia i Kristy izany. and-2
– Ny hevitry ny hoe “voafora” amin’i Paoly eto dia ny efa nanolorana ny tena manontolo, saina , fo , fanahy ho an’ny Tompo ka lasa ny Tompo mihitsy no antom-pahavelomana. Ka noho izany dia ny herin’ny Fanahy ao anaty (Kristy) no itokiana fa tsy ny “nofo” (=fahalalana) intsony. and-3
☝️ Mitoky amin’ny nofony mihoatra noho ny hafa rehetra ihany koa nefa i Paoly, satria efa i Kristy no ambarany sy fantany fa velona ao aminy. and-4
– Ambaran’i Paoly ihany koa fa niaina araka ny famorana sy ny fomba amam-panao Jiosy izy, ary tena mpanaraka ny lalàna amin’ny maha Fariseo azy taloha. and-5
– Raha ny fanarahan-dalàna ihany dia tsy nisy azo nanakianana azy. and-6
– Fa noho ny nihaona tamin’i Kristy kosa izy dia nataony ho fatiantoka, hazo momoka tsy azo ianteherana akory izany fahefany rehetra teo aloha izany, fa ny hahazoany an’i Kristy no lasa antom-pisiany ankehitriny. and-7-8
👉Tsy misy dikany ny fahamarinana araka ny lalàna hoy Paoly, fa ao amin’ny fanarahana sy finoana an’i Kristy ihany no misy ny fahamarinana. and-9
☝️ Paoly, efa vonona ny hijaly sy ho faty ho an’i Kristy ao anatin’ny fanarahana.Azy, ary tena mino sy manantena ny fitsanganana amin’ny maty, noho ny fananany an’i Kristy velona ao aminy. and-10-11
Hoy rahateo ny Tompo hoe:
“Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahazo izany. — Lioka 17 : 33”
🌹 Fantaro ny tenin’Andriamanitra mba tsy haha voafitaka anao.
🌹 Katsaho izay hiainana ao amin’ny Tompo sy miaraka aminny Tompo, mihoatra noho ny fahalalana rehetra.
🌹 Mifalia ao amin’ny fanarahana ny Tompo, ary mahareta mba hovonjena ianao.
Fihirana FFPM, 430: ENDRIKA SARIAKA
1.
Endrika sariaka no
Anompoako Anao,
Jehovah Ray !
Fa tafika nidika
Izaho dia olonao mandrakizay !
He, ny foko afa-jaly
Tena ravo, sady falifaly !
Fiveranana :
Ka endrika sariaka no
Anompoako Anao Jehovah Ray !
2.
Fa tsaroan’izany saiko,
Mandra-maty ho tadidiko
Ny nanavotanao ny aiko,
Ilay fanahy sarobidiko !
Fa nomena fahendrena
Izay ekena fa ny famonjena
[FIV.]
3.
Be ny zavatra mihatra
Mampahory sy mandrera-po ;
Kanefa ireny tsy handratra
Ny arovanao, ry Ilay Tsitoha !
Fa ny fony tena tony
Tsy mba kivy, tsy mba taitra intsony !
[FIV.]
4.
Misy ve ny mampanahy
Sy ny zava-manahirana ?
He, tsy kivy ny fanahy
Fa hijoro ka ho mirana !
Fa Jehovah, Ray mahery
Miandany sady koa mijery
[FIV.]
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Ho amintsika kosa ny faharetana sy ny fifaliana ao aminy.
Tahian’ny Tompo.
Source From : Carol Ramaroson