Manantena aho fa ho raisinareo am-pitiavana be ity hira vaovao be ity! HIVOAKA RAHAMPITSO ny CLIP 😘
TSOFIN-DRANO
Ny tokinao rehetra sy ny voady izay nianiananao
Lasa toy ny rediredy fa nivadika ny fanekena ianao
Fa ny hoe: “HO AHY IRERY”
Tsy mety aminao toa tsy vitanao
Dia tsy takona tsy miery
Iny ianao sy izy tena mizahozaho
Tsy afa-manoatra na hoe hitroatra
Na mafy aza ny entina
Aleo mangina rehefa tsy tiana
Fa sao hamorona aretina
Refrain:
TSOFIN-DRANO MANDEHANA!
Raha tomany aho tsy hoe mba hijanonanao
Ny fitia tsy terena
Tsy hitalaho aminao mihitsy aho
Hoe miverena
MANDEHANA! MAHALASANA!
Sanatria tsy hambo ny ahy
Fa mahalala tsy tiana
Anatra ho ahy ny sisa
Hianarako mamindra @ ho avy…
Tsisy tonga lafatra raha mbola eto an-tany ihany
Tsisy izay tsy voalamin’ny resaka
Raha adiady izany
F’izay mafy fo sy efa te hisintaka no mirifatra
Izay tsy manome lanja ny teniny
No sahy mivadika
Dia lazao izy: “tsy hirehareha
Amin’ny atao tsy marina”
Dia lazao izy: “lakalaka ny fiainana
Ka ny atao no miverina”
TSOFIN-DRANO! MANDEHANA!
Raha tomany aho tsy hoe mba hijanonanao
Ny alahelo ny tsy tàna
Noho ny lasana rehetra mitamberina
MANDEHANA MAHALASÀNA
Ny ho avinao sy izy
No ‘ndeha hatreo
Fa ny ahy na tsy safidy
Dia tsy handany andro aho hitoreo
Nivadika ny pejy
Fiainam-baovao
Tsofin-drano ianao…
Auteur/Compositeur: POOPY/NAIVO