FONJAN’AMBOSITRA
NATOLOTR’ANDRIAMATOA FILOHA AMIN’NY AHOANA MOA ?
Notokanana androany 15 aprily ny fonjaben’Ambositra.Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.Ny nanaitra kely tamin’ilay takelaka dia ny fahitana ny soratra manao hoe :”fonjaben’Ambositra, natolotr’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika”. Fehezanteny toa milaza hoe fanomezana avy amin’ny Filoha ilay fotodrafitrasa.F’angaha moa tsy ny volam-panjakana, volam-bahoaka no nanaovana azy io no hoe natolotry ny Filoha ?


