Finaritra. Mofon’aina ho anao.
Alarobia 03 May 2023.
1 Tes. 5: 12 – 21
ANDRIAMANITRA MIASA NY FANAHY MASINA
🌾 Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara; — Ohabolana 1 : 5 🌾
FANANARANA MARO HO ANTSIKA MIKATSAKA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA.
– Zavatra tokony hatao ny fanekena, sy fanajana am-pitiavana ny olona mananatra sy mitondra antsika amin’ny Tompo. and-12 – 13
☝️Mifameno amin’izany ny tokony hihavanantsika tsara. and-13. Didin’i Kristy rahateo izany.
– Ireto misy fananarana hoantsika efa kristiana: and- 14
❤ anaro izay tsy mitoetra tsara
❤ omeo toky ny malemy saina
❤ ampaherezo ny reraka
❤ mandefera amin’ny olona rehetra.
☝️Tsy vitan’ny herin’ny nofo izany fa amin’ny fanekena ny fitarihan’ny Fanahy.
– 🌾 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deoteronomia 32:35). — Romana 12 : 19 🌾and-15
👉 Angataho ny masom-pitiavan’Andriamanitra mba hijerenao amim-pitiavana ny olona REHETRA.. and-15
– Mifalia mandrakariva. and-16
– Mivavaha mandrakariva. and-17
👉 Mila mahay mankasitraka an’Andriamanitra isika ny amin’izay hitondrany ny fiainantsika. Fa Izy no manana ny fahefana ambonin’ny zavatra rehetra. and-18
❤ Aza mamono ny Fanahy. and-19
Hoy ny Tompo :
🌾fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy;… — Marka 3 : 29 🌾
❤ Aza manao tsinontsinona ny faminaniana ( = izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana) and-20
👉🌾 Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; … — Ohabolana 19 : 2 🌾and-21
Hafatra:
🌾 Koa mitafia famindram-po sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. — Kolosiana 3 : 12🌾
HIRA KATOLIKA:
OMEO FITIAVANA AHO TOMPO Ô
Omeo fitiavana aho, Tompo ô, hitiavako anao.
Ampianaro koa, hifankatia izahay.
Hafatrao ny hoe, Tompo ô:
Mifankatiava re,
Mba hahafantarana fa mpianatro ianareo
‘Ndrisy anefa feno ota etý an-tany etý.
Tebiteby lalandava no iainanay ety.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra, fa ho amintsika kosa ny fifankatiavana araka an’i Kristy.
Ho aminao anie ny fiadanan’ny Tompo.
Source From : Carol Ramaroson