Vita i Jocelyne dia anjaran’i Nina indray no manao hadalana.
Tsy navela hianatra ny mpianatra ao Marovoay androany noho ny antony politika raha ny vaovao voaray avy any an-toerana : novoriana tao amin’ny EPP Marovoay Centre ny mpampianatra rehetra dia tsy afaka nianatra ny mpianatra ! Ny fahenoana hoe ho avy ao Marovoay i Siteny no antony namoronan’ny Volomboasary io famoriana olona sy fizarana zavatra kely isan-karazany io. Ny Depiote Nina no fantatra fa tompon-kevitra amin’izao fanimbana ny fianaran’ny zaza tsy manan-tsiny izao. Tokony tsy atao fitaovana ny ankizy.
