Fitondrana jadona. Tsy misy ilàna izany teleferika izany. Raha misaina ianareo dia vonjeo ny vahoaka fa matin’ny hanohanana.
NY SEKOLINTSIKA ANALAMAHITSY
“LAVINAY NY FAMPANDALOVANA NY TELEFERIKA ETO…”
Mandà ny fampandalovana ny téléphérique ao aminy ny Sekolintsika etsy Analamahitsy izay sekolim-pinoana katolika, araka ny
fanambarana niraisan’ireo mpitantana, ny Tale sy masera mpiara-miasa, ny Vondron’ny Raiamandrenin’ny mpianatra, mpampianatra, mpandraharaha,… Nilaza izy ireo fa tampoka no nahalalana fa handalo ao amin’ny faritry ny sekoly ny tetikasa tekeferika araka ny taratasy ref:045 PRM/SENVH/2023 ny 9 may 2023 teo, tsy nisy fampahafantarana ny rafitra mifehy ny sekoly katolika: Tale sy mpiara-miasa ao aminy, ny communauté izay mitantana ny sekoly, ny Fiangonana EKAR eo an-toerana, DIDEC, DINEC. Miteraka fanelingelenana, tsy fifantohana, ary efa maro ny Raiamandreny no mitaintaina fa ho loza mitatao,… Tsy ny tetikasa no toherin’izy ireo fa ny fandalovany ao. “Lavinay ny fametrahana sy fampandalovana ny “téléphérique” eto amin’ny faritry ny sekoly sy ny manodidina”, hoy ny sora-baventy mirantiranty.



Source From : Tia Tanindrazana