Fiadanana. Mofon’aina ho anao.
Zoma 19 May 2023.
Sal. 11: 1 – 7
ANDRIAMANITRA MIASA NY FANAHY MASINA
Ny nataon’ny mpanao Salamo ho fiatrehana ny adim-piainany
– Mametraka tanteraka ny tokiny amin’i Jehovah izy. and-1
❤ “Jehovah no ialofako” and-1
Ka tsy mihevitra ny handositra ny fahavalo ( = ady sarotra mandalo; fanenjehana maro samy hafa; fifofoana ny ainy … )
– Toa maty paika mihitsy ny ratsy fanahy handavoana ny mahitsy fo. and-2
Mahitsy fo= ny miaina araka ny tenin’Andriamanitra; ireo mikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra, ny FanjakaNY sy ny fahamarinaNY.
☝️ Ny fahapotehan’ny fiaraha-monina; ny tsy fanjarian’ny zavatra rehetra mitranga ao, toa mampiteny ny mahitsy fo hoe: andeha hiala tao. and-3
☝️ Nefa mahatsapa avy hatrany ny mahitsy fo fa:
. Ao Jehovah + Avo dia avo ny fitoerany + mahita Izy + fantany tsara ny ao am-pontsika lalina ao sy ny fanatanterahantsika izay mety ho fikasantsika tsirairay. and-4
– Avahan’i Jehovah ny marina. Sedrainy ireny. and-5
☝️ Halan’ny fanahin’i Jehovah ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza. and-5
Ratsy fanahy= ireo izay manaiky ampiasain’ny fanahy ratsy;
mifaly hampidi-doza = manao fanahinihana ny handavo ny hafa .
– Satria Jehovah miaro ireo izay mialoka aminy dia:
. Handringana ny ratsy fanahy Izy. and-7
☝️ Tahaka ny tao Sodoma sy Gomoro.
☝️ Fahamarinan’i Jehovah izany mandripaka ny ratsy Fanahy izany. and-7
👉 Ireo mandray, sy mankatoha ny teniNY kosa no hisehoan’ny voninahiny. and-7
🌹 Mitokia amin’i Jehovah na inona na inona manjo anao.
🌹 Mialà amin’ny fanaovan-dratsy.
🌹 Matahora ny hitezeran’i Jehovah.
🌹 Mahareta hatramin’ny farany hahitanao ny voninahiny.
Fihirana FFPM, 425: NY RATSY EFA TIAKO
1.
Ny ratsy efa tiako,
Tsy tahotro, tsy henatro;
Fa zava-bao no hitako,
Te hijery izany aho.
2.
Ao ny hazo fijaliana
Ao ny Tompo efa maty;
Izy no nijery ahy
Tsy tezitra, fa niantra.
3.
Hoy ny fijeriny ahy,
“Hianao mamono ahy”
Dia hitako mahantra aho
Ny heloko namono Azy.
4.
Aiza no handosirako
Ndrao hidiran-doza aho?
Iza no hamonjy ahy,
Feno ota, feno loto?
5.
Nijery ahy indray Izy;
“Avelako ny helokao”
Fa ny ràko no manadio
Hahazoanao fiainanana.
6.
Maty Kristy, be ny ota
Maty i Jeso! be fitia,
Faly malahelo aho,
Sambatra, manana ody aina.
Tso-drano:
Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana. — Nomery 6 : 25 – 26
Ho voninahitr’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Amena.
Tahian’ny Tompo.
Source From : Carol Ramaroson