Lalaon’ny Nosy : Nampisendoatra ireo vahiny ny kitoatoa ataon’ny Mpitondra malagasy
🇫🇷Tezitra mafy ny delegasiona avy ao La Réunion fa tsy ny sainam-pireneny – manga/fotsy/mena 🇫🇷 amin’ny maha-départemanta frantsay azy – no nataon’ny mpitondra malagasy tamin’ny clip fa saina tsy ôfisialy 🇷🇪.
🇫🇷Toy izany koa ny Mahorais izay nisendoatra naneho ny hatezerany satria tsy mba sainam-pirenena tahaka ny an’ny nosy hafa rehetra no naseho tao anaty clip ôfisialy fa logo-n’ny Conseil Departemental (toy ny distrika aty Madagasikara).
🇫🇷Natao gisitra koa i Mayotte amin’ny fitanisana ireo nosy mpandray anjara ao anaty clip, nefa ny « ordre alphabétique » no fampiasa amin’ny fifaninana iraisam-pirenena toy izao.
🇰🇲Romotra koa ny Kaomoriana satria I Comores dia nalefa aoriana amin’ny tsy antony nefa dia tokony hotononina voalohany satria miatomboka amin’ny litera C.
🏐Fa ny tena mampivonto fo ireo delegasiona avy amin’ny nosy mpandray anjara dia ny nanilihana ireo taranja maro (8) noho ny fitavozavozan’ny Mpitondra malagasy amin’ny fikarakarana sy ny kianja.
🏐Ny mpanao fanatanjahantena malagasy mpanao ireo taranja nesorina koa dia sady malahelo no tezitra satria mahatsiaro tena ho natao an-kilabao. Efa amam-bolana maro nefa izy ireo no nisintona lakolosy tamin’ny alàlan’ny Komity Olympika Malagasy izay tsy nitsahatra nangataka ny « regroupements » tokony vatsian’ny Fitondrana vola, sy ny fanatsarana ny toerana handraisana ny fifaninanana. Ankehitriny dia voatery ajanona ireo taranja ireo noho ny fitavozavozana.
🏐Nanala baraka ny firenena manontolo indray noho izany ny tefy maika sy ny fitavozavozan’ny mpitondra malgaches.
🇫🇷🇫🇷 La Réunion et Mayotte devraient porter le le drapeau Bleu/Blanc/Rouge, pendant les Jeux des Îles, en tant que Départements français. Mais l’incident diplomatique est consommé : les autorités malgaches à l’origine du clip officiel des 11e JIOI n’ont trouvé mieux que d’utiliser un drapeau “touristique” non officiel pour La Réunion et le blason du Département de Mayotte.
🏐🏐 Plus scandaleux, la suppression de plusieurs disciplines sportives de la compétition, en raison de l’incompétence des autorités malgaches qui ne sont pas prêtes en termes d’infrastructure et de finances. Et ce, malgré l’insistance des Sportifs de la Grande Île – via le Comité Olympique Malagasy – qui n’ont cessé de réclamer les moyens financiers pour préparer au mieux et à temps ces jeux. La honte !