Fiadanana. Mofon’aina ho anao.

Alatsinainy 05 Jona 2023.
1 Kor. 7: 17 – 24
IORENAN’NY FAHAFAHANA NY TOMPO

NY FAHAFAHANA AO AMIN’NY TOMPO.
1) Tsy mifidy fiaviana
– na voafora: and- 18 = taranak’i Abrahama sy ireo efa novidiany ka nanompo azy. (Gen. 17: 9 – 11 )
– na tsy voafora: and- 18 = ireo rehetra ivelan’ny taranak’i Abrahama sy ny mpanompony.
☝️didi-poitra no resahana eto, raha miresaka momba ny famoràna isika. Ary ady hevitra be izany tamin’ny fotoana nitorian’i Paoly sy i Petera ny filazantsara.
☝️Tsy izany anefa no maha olona afaka na tsy afaka olona iray.
☝️Tsy ny fanamboarana ny nofo no maha olona afaka antsika. and- 18, fa ny fanarahana ny didin’Andriamanitra. and-19

2) Mampanatanteraka ny didy omen’Andriamanitra. and- 19
Ny antson’Andriamanitra dia mipaka any amin’ny olona rehetra. Samy manana ny anton’asany, sy ny saranga misy azy avy.
☝️Manafatra antsika Kristiana i Paoly ny hiaina amin’ny maha olona afaka antsika, eny amin’ny sehatr’asa misy antsika tsirairay avy any. and-20
👉Ny fanarahana ny didin’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny asa rehetra atao, no ahítana ny maha olona afaka antsika.

3) Maha mpanompon’Andriamanitra antsika
– Efa novidian’ny Tompo tamin’ny rany isika. and- 23
Isika rehefa mampiasa olona, na ao an-trano, na any amin’ny toeram-piasana, sarotony mihitsy raha tsy manaraka izay angatahintsika amin’ny antsakany sy andavany, ny olona ampiasaina.
☝️Ny Tompo ihany koa mba manana ny zavatra andrasany amintsika.
☝️Tsy voavidim-bola amin-karena ny rà nalatsany hamonjena (nividianany, nomeny) antsika, ka manana trosa aminy isika.
👉Natao hanompo an’Andriamanitra isika.
👉Paoly manafatra ny kristiana: “Aza mety ho andevon’olona” and-23
andevo = olona voafatotra
andevon’olona = olona manaiky izay zavatra rehetra ampanaovin’ny mpampiasa azy, na dia efa hita aza, fa tena tsy ankasitrahan’Andriamanitra,ny zavatra ampanaovina anao; olona miaina ao anatin’ny maizina; olona tsy manana ny Tompo; olona mbola tsy nandray ny fanafahana izay efa natolotra ho azy izany.
☝️Midika fahamenarana ny maha olona afaka izany.
👉Paoly dia manafatra ny kristiana, ny hijoro avy hatrany amin’ny maha olona afaka azy, eny amin’ny sehatra rehetra efa mahazatra antsika isan’andro. (ao amin’ny ankohonana; eo amin’ny fiaraha-monina; any amin’ny toeram-piasana; eo amin’ny firenena) and-24
☝️ Ny mahakasika ny asa fanompoana amin’ny fiangonana kosa dia, samy manana ny nandidian’ny Tompo manokana azy ny tsirairay. and-17
👉 Fantaro ny asa fanompoana niantsoan’ny Tompo anao.

HIRA FFPM 427 – Ho vavolombelonao

1. Ho vavolombelonao
N’aiza n’aiza no aleha
Izay no faniriana vao
Sy hataoko rehareha.
Ka raha asa no atao
Inty tokoa fa vonona
(ho vonona aho)
Tsy hiala na handao,
Tompo ô, iraho aho!

2. Ho vaolombelonao
Eran-tany raha ilaina
Toy ny loharano vao
Izay mamelombelona aina.
Hanasoa ny tany hay
Efa mihamaina taho
(mihamaina)
Tompo ô, inty indray
Alefaso, vonona aho.

3. Ho vavolombelonao
Ao anaty fitsapana,
Ka hijoro ho Anao,
Na fefena, na raràna,
Tsy hiahotra ny dia :
Fa Hianao naniraka ahy
(naniraka ahy)
Tsy hiahotra aho satria
Amiko Hianao Mpitahy.

Ray Masina o, manamasina anay amin’ny fahamarinana. Ny taninao no fahamarinana. Amena.

Ho voninahitr’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Amena.
Ho aminao anie ny fiadanan’ny Tompo.

Source From : Carol Ramaroson