Fiadanana. Mofon’aina ho anao.
Alarobia 07 Jona 2023
Jao. 8: 31 – 38
IORENAN’NY FAHAFAHANA NY TOMPO

JESOA ILAY TENA MPANAFAKA

Jesoa miteny amin’ny mino:
– Ny faharetana ao amin’ny teniny no maha mpianatr’i Jesoa antsika. and-31
☝️Raha maharitra ao amin’ny teniny isika manoloana ny fahoriana, fanenjehana, adim-piainana isan-karazany, ary ny zana-tsipikan’ny ratsy dia hanehoan’Andriamanitra ny voninahiny, sady ho olona afaka tokoa.
🌹Mahareta mba hovonjena ianao.

– Abrahama = rain’ny mino = loharano nipoiran’ny zanak’Isiraely
– Abrahama (nanana mpanompo maro be)➡️Isaka ➡️Jakoba.
Gaga ireo Jiosy nino, raha nolazain’ny Tompo hoe mbola ho afahan’ny marina = tenin’ny Tompo ( ny Tompo no teny tonga nofo), tsy ho andevo izy ireo. and-32 -33
🌹Ny Tompo no Mpanafaka.

– Hoy indray Jesoa: and-34
“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ny ota.”
. marina dia marina: fahamarinana averina in-2 = tsy misy afaka mandiso izany.
. izay rehetra manota ➡️rehetra = ny olona rehetra tsy ankanavaka; na jiosy na tsy jiosy, na taranak’i Abrahama (Ismaela sy Isaka) na tsia, ….
. manota = izay rehetra tsy ankasitrahan’Andriamanitra (fandikana ny didiny, fandavana izay ambaran’ny teniny, fandavana ny Fanahy Masina)
. andevon’ny ota = voafatotry ny ota = tsy manana hery hanoherana ny ota = mbola tsy mino = mbola tsy nandray ny Tompo = mbola mandeha araka ny nofo (tsy afaka mamokatra ny vokatry ny fanahy)
🌹Raiso ao am-ponao Jesoa mba ho afaka amin’ny fanandevozan’ny ota ianao.

– Dia hoy indray Jesoa: and-35
. ny andevo tsindraindray ihany no mba manompo = manatanteraka izay andrasana aminy, na mba mankao amin’ny tranon’ny Tompony.
. ny zanaka mitoetra mandrakizay
mitoetra = mipetraka = monina = mitombina
👉Raha efa nandray ny Tompo isika dia efa nahazo ilay hery entina manohitra ny fakam-panahy (ota); sady mahazo anjara ao amin’ny mandrakizainy.
“Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, [*Na: anarana, na fahefana]. Jao. 1: 12”
☝️Mpiray lova amin’i Kristy ny zanak’Andriamanitra. (zanaka natsangana isika)
☝️Izany no mahatonga antsika ho afaka, raha efa nandray ilay fanafahana avy amin’ny Tompo isika. and-36
🌹Meteza ho taizàn’ny tenin’Andriamanitra mba hanatanterahanao ny sitrapony amin’ny fiainanao manontolo.

👉Raha tsy miaina araka ny tenin’Andriamanitra isika, dia lasa mpanenjika sy manana fıkasan-dratsy ny hamono ireny mpanara-dia an’i Kristy ireny. and-37
Hoy Jesoa:
“Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. Mat. 25: 40”
🌹Manafaka sy mitondra fiainana ny Tompo fa tsy mamono.

– Jesoa manambara fa, ny hitany tamin’ny Ray = Andriamanitra =Yaweh = Jehovah, no lazainy. and-38
☝️Tsy mba miteny ho an’ny tenany i Jesoa.
– Ny tsy manahaka an’i Jesoa kosa = ireo izay tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra = tsy manaraka ny teniny hoy ihany Izy dia, manana ray hafa.
☝️Tsy misy ny misabaka amin’Andriamanitra. Fa hoy Jesoa:
“Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna ianareo. Mat. 6: 24”
☝️Na isika mandray ny fanafahana ho mandrakizay, na isika mankany amin’ny fanamelohana mandrakizay.
🌹Mahaiza mifidy izay ho Rainao.

Hira Fihirana Fanampiny 46:
MBA TANTANONAO RY RAIKO

Mba tantanonao ry Raiko
‘Zato làlan-janakao
Ny mifidy toa tsy haiko
Ka maniry indrindra Anao
Hitanao ny adintsaina
Mitambesatra ao an-doha
‘Zany tsikin’ny maraina
Toa ela vao mifoha

Moa diso ny safidiko
Raha mandroso ka mankao
Sa ‘ty làla-nofinidiko
Dia tsy ilay voasoritrao
Tanteraho ny faniriako
O ry Tompo tena tia
Fa ny zavatra iriko
Masina amiko ho doria

Nefa raha tsy izay no didy
Namboarinao ho ahy
Amboary ny safidy
Sy ny ratrako am-panahy
Atolorinao ny hery
Hampijoro izay nikoa
Ka sitranonao ny fery
Sy ny ratrako ato am-po
——–

Mahereza indrindra tompoko.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra fa ho amintsika kosa ny fanafahana.
Tahian’ny Tompo.

Source From : Carol Ramaroson