Fetim-pirenena ho avy – Misy ny manangana saina fotsy

Patrick Raharimanana : hita tany ho any, tsy maro raha koragniny, misy manangana saina fotsy.

Tina Rossin : marigna zala ay, resy ny gasy @jaly tafahoatra ty.

David Halday : misy no tonga saina.

Martin Gilbert Lemard : Jirama drapeau blanc, jaly mitete, kapoakam-bary,…

K’haz Taytch Gasikarako : ary lasa mety hihitatra be io.

Mei Andriantsoa : mijaly ny gasy.

Patricia Randriantiana : loza ity ry JIRAMATY fa manangana drapeau blanc mihintsy ny gasy.

Mamy Ranavoson : mampalahelo kanefa marina.

Nanahary Sebastienne Chantal : kkkk !

Rakotomalala Victorine : indrisy ry tanindrazako.

Radoson Rakotoarivelo : tony lay manantena Mana sy papelika avy any Andanitra zao.

Weather Spoon : Radoson Rakotoarivelo : olona mbola manana ny tranony honenany ireo, donc manana ny fivelomany. Fa mety ho fanehoana Firaisan-kina amin’ireo izay mitsindroka Zaoridira miaraka amin’ny alika, sy ireo matory ambany Tunnel, na ireo matory mitafo lanitra izay mitombo andro aman’alina. Ireo tsy mahita hanin-kohanina intsony, tsy mahavelon-tena intsony noho ny fahanterana sy ny fahosàna, tsy fahafahana mitsabo tena intsony, tsy mahatakatra ny vidin’ny ppn intsony. Mandry fotsy, no tena antony anaovany an’izao.

Jornadhino Razafindranaivo : tongava saina ianareo mpitondra fa zao ny zava misy.

Seraphin Raminoson : ce drapeau correspond vraiment à la réalité du pays actuel.

Baban’i Jao : mahereza daholo.

Arisoa Naina Rakoto : tena resy tanteraka ve ?

Heritiana Razanakoto : Arisoa Naina Rakoto : tsy voatery hoe resy tanteraka akory ny fananganana an’io, fa entina ampisainana ireo tokony ho hiantefan’zany.

Véro Les-vezos : mbo ts nisy tanaty 60 tao !

Zakaria Andrianjatovo : izao kosa tsy mampihinana gagazo ko !

Marie France La Lionne : valaky gn’olo !

Marius Ramilijaona : efa mandohalika ny ankamaroan’ny olona.

Tony Randriamanga : tena resy ny gasy lety e !

Priano Rfk : ekeko mafy ny fiainana, fa saingy tsy hanangana saina fotsy aho mandrakizay. Tsy olona resy akory aho.

Gino Rahaniraka : fanehoana ny tsy fahombiazan’ny mpitondra koa ny fananganana io saina fotsy io., nefa mbola tsy hita aloha hatreto ny atao.



Source From : Ny Valosoa Vaovao