Fiadanana. Mofon’aina ho anao.
Alatsinainy 12 jona 2023.
Fit. 5: 1 – 22
IORENAN’NY FAHAFAHANA NY TOMPO
Lazain’ny mpahay tantara fa i Jeremia no nanoratra ny Fitomaniana. Tamin’ny 587 B.C tany, taorian’ny 789 B.C, dia rava ny tanàna Isiraely. Maro no novonoina, ary maro tamin’ireo mbola velona no azo babo, ary ny loza ndrindra tamin’izany dia ny naha may ny tempoly. Tamin’izany fotoana izany no nanoratan’i Jeremia mpaminany.
Mitaraina sy mangataka amin’Andriamanitra i Jeremia, ho an’ny vahoaka. Fa mafy ny latsa mihatra aminy.
1) Mitaraina ny vahoaka:
– and-1 :”Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.”
☝️Toa mahatsiaro tena ho lavitra an’i Jehovah ny vahoaka. and-1
Tsaroantsika Isaia:
“Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare; Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy. Isa. 59: 1 – 2”
– Mahatsiaro ho very lova, sy trano ny vahoaka. and-2
– Mahatsiaro kamboty ny vahoaka. and-3
. tsy manan-dray: tsy misy mpiahy, tsy misy momba azy, ..
– Toa tsy tompon’ny taniny sy izay rehetra eo aminy intsony ny vahoaka. and-4
– Reraky ny fanenjehana ny vahoaka. and-5
– Lasa mpangataka hanina any amin’ny Egyptiana sy ny Asyriana ry zareo mba ho voky.
– Mahatsiaro ho nibaby ny heloky ny razany izy ireo. and-7
👉 Fa hoy Jehovah: “Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy; Eks. 20: 5”
– Lasa olona tsy mahalala izay sitrapon’Andriamanitra no manapaka ny vahoaka Isiraely, ka tsy manana mpamonjy intsony izy ireo. and-8
– Mafy be, mihatra aman’aina mihitsy ny fomba ahazoan’ny vahoaka isiraely hanina any an-efitra. and-9
– Mosary izy ireo, ary mahamay mbaka ny hodiny noho ny hamosareny. and-10
– Nampijaliana mafy ny vehivavy Isiraely. Natao tsinontsinona ny antitra. and-11-12
– Na ny ankizy sy ny zatovo aza, dia nampijaliana avokoa. and-13
– Tsy manana fifaliana intsony na ny zatovo; na ny loholona,…and-14-15
👉 Mahatsiaro ho very satro-boninahitra ny vahoaka, ary indrindra mahatsiaro ny otany sy ny fahadisoany, and-16
👉 Mahatsiaro rera- po sy maizina ny vahoaka. and-17
☝️Tsy misy maha toerana tsara ny teny amin’ny tendrombohitr’i Ziona intsony. and-18
2) Mangataka ny vahoaka.
– Jehovah no hiantorahana ao amin’ny voninahiny. and-19
– Mangataka ny hiverenan’ i Jehovah ao amin’ny fiainany i Jeremia. and-20
– Mangataka ny hiverenan’ilay fiadanana avy amin’i Jehovah i Jeremia. and-21
☝️ Mahatsiaro ho renesin’i Jehovah i Jeremia, ka manontany Azy mihitsy , ny toe-poNY manoloana ireto vahoaka. and-22
🌹 Tsarovy ny tenanao na lavitra na akaiky Azy ianao.
🌹 Aza miandry ny hijaly be vao hiverina amiNY.
🌹 Tsy ny hampijaly antsika no tian’i Jehovah, fa ny hiverenantsika sy hijanonantsika aminy.
HIRA 417 – NANDAO ANAO ELA AHO
1. Nandao Anao ela aho, Raiko ô!
Izao dia te-hody aho;
Maniry hiankina an-tratranao,
Izao dia te-hody aho.
Fiv : :,: Inty tamy aho,
Raiko malala ô,
Raiso ny tanako. :,:
2. Maniry hanana fiadanam-po,
Izao dia te-hody aho,
Sy mba hivesatra ny zioganao,
Izao dia te-hody aho,
Inty tamy aho, sns…
3. Itambesaran’ny ota natao
‘Zao dia te-hody aho,
Matoky anefa fa horaisinao
‘Zao dia dia te-hody aho.
Inty tamy aho, sns…
4. Raha tsy mendrika ny ho zanakao,
Izao dia te-hody aho,
Ataovy isan’ny mpanomponao,
Izao dia te-hody aho.
Inty tamy aho, sns…
5. Indro fa tazako ny sandrinao,
Izao dia te-hody aho,
Mitsotra mba hisakambina re,
Izao dia te-hody aho
Inty tamy aho, sns…
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra, fa ho amintsika kosa ny fiadanany.
Tahian’ny Tompo.
Source From : Carol Ramaroson