Fiadanana. Mofon’aina ho anao.
Zoma 16 jona 2023.
Sal. 66: 8 – 12
IORENAN’NY FAHAFAHANA NY TOMPO

– Fiantsoana ny vahoaka hanandra-peo ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra no nampidiran’ny mpanao Salamo ny teniny manaraka eto. and-8
– Ireto no antony voatanisa, hamporisihana ny firenena (Isiraely) hisaotra an’Andriamanitra:
. Andriamanitra no mampitoetra antsika amin’ny fiainana. and-9
👉 Ny Tompo no fiainana < Andriamanitra, Fanahy Masina, mampitoetra antsika ao amin'ny Tompo. . "tsy mamela ny tongotsika hangozohozo. " and-9 Mangozohozo = mivembena noho ny hahiazana (dik. Rakibolana) Hoy Jehovah: " ... ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany. — Isaia 45 : 11" 👉 Andriamanitra Matoky ny Andriamanitsika, tsy mahafoy antsika Izy. - Fomba vitsy hizahan'Andriamanitra toetra ny vahoakany: . Manadio tahaka ny fanadio volafotsy amin'ny memy. and-10 memy = Afo mivaivay be, fatana fandrendrehana metaly ( dik. Rakibolana) ☝️ Izay tsy levona na tsy miova ao anaty memy no tena volafotsy. 👉 Tian'Andriamanitra hiseho, hazava sy hamirapiratra tahaka ny volafotsy voasedra isika. Hoy Jesoa: "Ianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. — Matio 5 : 14" . Andriamanitra no mampiditra ny olony amin'ny fandrika. and-11 ☝️ Izy no manome fahefana an'i satana hikasika ny fiainantsika. "Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana. — Joba 2 : 6 ( rehefa naniraka an'i satana hikitika ny fiainan'i Joba Izy. . Nampitondra enta-mavesatra. and-11 = mety ho endrika fampahoriana tany amin'ny famaboana (hoy ny mpahay tantara) . Nampandeha ny olona hanitsaka ny loha. and-12 = azo lazaina ho fanaovana tsinontsinona ny vahoakan'Andriamanitra. . Mampandeha ny vahoakany amin'ny afo sy rano = ny sarotra, ny mafy. and-12 Tena mafy ny sedra ataon'Andriamanitra amin'ny olony, nefa: 👉Mampandresy antsika Andriamanitra. and-12 . Fitahiana no omeny izay mifikitra aminy. and-12 Hoy Izy tamin'i Abrahama. "... ho fitahiana tokoa ianao; — Genesisy 12 : 2" Abrahama rain'ny mino, nanaraka izay nangatahan'i Jehovah taminy, na dia tsy voatery ho takatry ny sainy, sy sarotra aza izany. 🌹 Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesoa ho anareo. — I Tesaloniana 5 : 18 🌹 Manoloana ny sedra mahazo antsika dia, ilaina hatrany ny mahatsiaro fa Andriamanitra no manam-pahefana ambony indrindra, mihoatra noho ny zavatra rehetra. 🌹 Mahareta, fa fitahiana no ao ambadiky ny fandresena miaraka amin'ny Tompo. Fihirana FFPM, Tsanta 5 (Salamo 103) 1. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny Anarany masina Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra 2. Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao, 3. Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina. 4. Efa nampahafantatra an'i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak'Isiraely nampahafantariny ny asany. Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po. 5. Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay. Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika. 6. Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. 7. Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy; Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika. 8. Tahaka ny ahitra ny andron'ny zanak'olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny, Satria tsofin'ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany. 9. Fa ny famindram-pon'i Jehovah dia hatramin'ny taloha indrindra Ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka. Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny. 10. Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao. Misaora an'i Jehovah, ianareo anjeliny, dia ianareo izay mahery indrindra Sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon'ny teniny. 11. Misaora an'i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony. Misaora an'i Jehovah, ny asany rehetra eran'ny fanjakany; Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka, Ary ny Fanahy Masina; Eny, hisaorana sy hankalazaina anie Andriamanitra mandraki-zay. Amen. Ho voninahitr'Andriamanitra Ray, Zanaka, FanahyMasina. Amena. Hotahiana anie ianao.

Source From : Carol Ramaroson