ADIN’NY SAMY ROSIANA
TSY MIFANARAKA INTSONY I POUTINE SY NY GROUPE WAGNER

Nampangain’ny filoha Rosiana Vladimir Poutine ho mpamadika sy mpandefona ivoho ny vondrona mitam-piadiana Wagner tarihin’i Evgueni Prigojine. Ity vondrona mitam-piadiana ity hatrizay no eny amin’ny vavan’ady any Ukraine, izany hoe manampy an’i Rosia. Farany teo anefa dia nilaza ny lehiben’ny Wagner fa nodarofan’ny Rosiana baomba ny miaramilany, ka tsy azo ekena izany.Lasa eo am-pelatanan’ny miaramilan’ny Wagner ny toeram-pamaharana ao Rostov izay tena stratejika be ho an’ny tafika Rosiana. Miantso ny hisamborana ny lehiben’ny Groupe Wagner izay voatondro fa mitady hikomy sy hanongam-panjakana ny sampam-pitsikilovana Rosiana. Tena ho henjana ny famaizana ireo mpamadika hoy kosa ny filoha Poutine.




Source From : Tia Tanindrazana