Fiadanana. Mofon’aina ho anao.
Alarobia 28 Jona 2023.
Sal. 40: 11 – 17
IORENAN’NY FAHAFAHANA NY TOMPO

Maodelim-bavaka, avy amin’ny mpanao Salamo. Ho antsika ao anatin’ny fanenjehana sy fampahoriana ary ny fahoriana. Ho antsika trotraky ny adim-piainana ka tsy afaka mitraka akory. Ary indrindra koa, ho antsika hitambesaran’ny ota natao. and-12

– Angataho i Jehovah mba hipaka any aminao ihany koa ny fihantrany. and-11
– Angataho ny famindram-pony sy ny fahamarinany hiaro anao mandrakariva. and-11
. famindram-po: efa avaozin’Andriamanitra ho antsika isa-maraina. Fa na dia izany aza, mila angatahana mandrakariva izany satria miaina ety amin’ny tany feno ota isika, feno ny faharatsiana, ka mila ny famindram-poNY mandrakariva, dia ny tanany manasitrana, ny fo, fanahy, saina, izany.
. fahamarinany: Jesoa, Fiainana, ny ràny soa manamarina antsika, manadio antsika tsy ho difotry ny fahotana, ary tena miaro antsika. Tahaka ilay ran’ny zanak’ondry nahosotra tamin’ny tolanam-baravaran’ny vahoaka Isiraely raha handalo ny voninahitr’Andriamanitra, ka izay nahitana ny rà dia tsy voakasik’ilay loza.
– Angataho ny hetezan’i Jehovah hanafaka sy hamonjy faingana anao. and- 13,17
👉Efa nomena ny Mpamonjy isika = Antsoy amim-pinoana, sy amim-pitiavana, ny anarana maherin’i Jesoa, hanafaka anao. Fa Velona sy Mahery ny anarany.
– Angataho i Jehovah ny hampangahiahy, sy hampamenatra ireo mitady hanimba ny ainao (mpisompatra). and-14
– Angataho i Jehovah ny hihemoran’ireo mikendry ny hampahory anao. and-14
👉Efa nasain’ny Tompo hivavaka ho azy ireny isika. Mba ho afaka amin’ny endriky ny tsy fitiavana rehetra izy ireny. Fa Andriamanitra dia Fitiavana, ary izay tsy mitoetra ao aminy no tsy mahay mitia.
– Angataho i Jehovah ny hahamenatra azy ireny. and-15
☝️Rehefa mahita ny voninahitr’Andriamanitra miseho amin’ny fiainanao izy, dia efa isan’ny fijoroana vavolombelona ataonao izany.
– Andrandrao sahady ny fifaliana ao anatin’ny fangatahanao rehetra. Satria fantatrao fa mihaino anao Izy. and-16
“Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona. Sal. 51: 11”
– Manàna fanantenana ny handray ny famonjena angatahinao, ary tiavo izany famonjena ho azonao izany, mba hankalazanao Azy. and-16
☝️Tsarovy fa mahita sy mihevitra ny momba anao ny Tompo. Ary efa nomen’Andriamanitra antsika Izy,ho Mpamonjy sy Mpanafaka antsika. and-17

👉Ny fahamarinan’i Jehovah ihany no afaka ny hiaro anao amin’ny ratsy rehetra.
🌹 Meteza ho arovan’i Jesoa Fahamarinana.
🌹 Mivavaha ho an’ireo tsy afaky ny mitia.
🌹 Mankalazà an’i Jehovah amin’ny fotoana rehetra.

FIHIRANA FFPM 336 – Ampodio izahay, Jehovah

1. Ampodio ‘zahay, Jehovah
Amin’ny fitianao,
Na aiza na aiza no haleha,
Aoka ho vimbininao !
Ô, ambino,:,:
Izahay mpanomponao !

2. Fa ny Teny renay anie
Aoka ho tadidy koa,
Ka mba hiasanay saina
Hahazoanay ny soa
Isan’andro :,:
Izay hiainanay aty !

Ray o, manamasina anay amin’ny fahamarinana. Ny teninao no fahamarinana. Amena.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra, fa ho amintsika kosa ny FITIAVANY.
Tahian’ny Tompo.

Source From : Carol Ramaroson