Finaritra, mofon’aina ho anao.
Alatsinainy 17 jolay 2023.
HEVERO NY FIFIDIANAN’NY TOMPO
Jaona 13: 12 – 20
ISIKA VOAFIDY:
1) Efa nosasan’ny Tompo tongotra. and-12
. Ny Tompo nanasa ny tongotrao = Efa nandray an-tanana ny momba anao; efa nanokana ny tongotrao handeha ho amin’ny fitoriana ny filazantsara; efa nanadio anao Izy.
☝️ Izy mihitsy no loharano velona tsy mety ritra, ka izay mandray Azy dia mahazo izany fanadiovana amin’ny fahotana izany.
. Tongotra madio = tongotra voatokana ho amin’ny fitoriana ny filazantsara; tongotra tsy mandeha minia manota intsony.
☝️ Raha mahatsiaro nanota dia malaky mibebaka, fa tsy mijanona ao anaty loto sy fahavetavetana imason’i Jehovah ao ihany.
” Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao! Isaia 52:7″
2) Mahalala fa Jesoa no Mpampianatra, Tompo.and-13
Mpampianatra = parakleto; Fanahy Masina, Mpanolo-tsaina
Tompo = Mesia; Mpamonjy; Zanak’Andriamanitra; Imanoela
☝️ Ny fampianarana, ny toriteny, fitarihan’ny Fanahy Masina…. no efa nahalalantsika izany.
☝️ Ary ny Tompo dia manamarina izany fahalalantsika Azy izany. and-13
3) Ampianarin’ny Tompo, hifanasa tongotra. and-14,15
Hifanasa tongotra = mira lenta avokoa ny olona rehetra nofidian’ny Tompo ho Azy, hitory ny filazantsarany, hanambara ny famonjeny.
☝️ Raha manao izany isika dia mahay mankatoha ny teniny.
– Hoy ny Tompo:
“Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy. and-16”
☝️ Hoy koa ny Tompo, mahasambatra ny mahay manao izany. and-17
Inona ary no mety handikana izany “mifanasa tongotra izany?
. mifamela heloka
. mifananatra
. mifanoro
. mifanampy
. mifampivavaka
. mif……..
☝️ Rehefa miteny ny Tompo dia mba mandre koa ny mpamadika Azy. and-18
4) Tian’ny Tompo hino Azy daholo. and-19
nofidiany: efa nandre, sy nampianarina ny teniNY sy ny momba ny fanjakaNY.
Hoy ny Tompo:
“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy. and-20”
🌹 Mila mifankatia araka ny Fitiavan’i Kristy isika.
🌹 Mianara mandrakariva amin’ny teniNY.
🌹 Minoa Azy. ( = Raiso amim-pinoana ny teniNY).
HIRA FFPM 533 – Iray ny Ray Tsitoha
1. Iray ny Ray Tsitoha,
Mpitia olombelona;
Iray ny Tompo soa,
Iray ny rano velona,
Iray ny vavahady
Izay hidirana;
Ny rafy sy ny ady
Dia iombonana.
Iray ny fahantrana
Ilaozantsika aty,
Iray ny fanjakana
Alehantsika ary.
2. Ry zana-janahary,
Ry voavela heloka,
Miraisa hina ary,
Ka mifandraisa tanana;
Mifamelà isika,
Fa samy meloka;
Mifanajà isika,
Fa samy zanaka.
Ry jeso be fitia,
Ampio ny olonao
Mba ho mpifankatia
Manahaka Anao.
Ho voninahitr’Andriamanitra Ray, Zanak, Fanahy Masina. Amen.
Tahian’ny Tompo.
Source From : Carol Ramaroson