HERINARATRA ETO MADAGASIKARA

“MARI-TOERANA REHEFA TAFAPETRAKA IREO TETIKASA MAROBE”

Mbola misy fohy ezaka sy lavitra ezaka ny fanarenana ny tontolon’ny herinaratra eto Madagasikara raha ny nambaran’ny filoham-pirenena, hoy anio ny minisitry ny angovo sy akoran’afo, Solo Andriamanampisoa, teo anivon’ireo mpiara-miasa aminy tetsy amin’ity minisitera etsy Ampandrianomby ity. Anatin’ny 5 taona, hoy izy, ny atenatenan’ezaka izay misy ny fametrahana ireo tetikasa marobe napetraka, indrindra, ny hoe rehefa mipetraka izany Volobe na Sahofika izany, rehefa mandeha ny tohadranon’i Ranomafana, misy koa ny aty Manandona, Talaviana, Tsinjoarivo sy ny hafa vao tena mari-toerana io. Tsy sanatria fialan’ny tena andraikitra na fialan’ny minisitera andraikitra fa angamba ianareo naheno izany mpihira ny hoe “Jiro tsy mandeha, telefaonina tapaka” izany. Tanora izahay tamin’izany. Misy ny miteny hoe “areheto ny poteau fa ambavahoana ny population”. Tsy vao omaly koa izany fa efa 20 taona mahery. Olana maharitra io no dikan’izany nefa hitondran’ny fitondram-panjakana mifanesy vahaolana maharitra. Mitombo faran’izay haingana anefa ny mponina, hoy hatrany ity minisitra ity.



Source From : Tia Tanindrazana