Finaritra. Mofon’aina ho anao.
Zoma 28 Jolay 2023.
HEVERO NY FIFIDIANAN’NY TOMPO.
1 Sam. 10: 17 – 27

Ny fanetrentenan’i Saoly raha voafidy ho Mpanjaka izy.

Ny fizotry ny tantara:
– Nangataka mpanjaka ny vahoaka Isiraely rehefa nahita fa manana mpanjaka avokoa ny firenena hafa, fa indrindra hitany fa antitra i Samoela, ary tsy nanaraka ny làlany ny zanany. (1 Sam. 8: 1 – 5)
– Fandavana an’i Jehovah nefa no dikan’izany. Hoy Jehovah tamin’i Samoela: “fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy. (1 Sam. 8: 7)”
– Nanaiky ary Jehovah = volonté permissive de Dieu.
– Ny (1 Sam. 8: 11-19) no nampitandreman’i Jehovah ny vahoaka, ny amin’ny zavatra mavesatra hampitondrain’ny mpanjaka ny vahoaka, rehefa manana mpanjaka ny vahoaka. Fa tsy nandraharaha izany ireto farany.

Ny mofon’ainantsika:
– Novoriana tany Mizpa ho eo anatrehan’i Jehovah ny vahoaka. and-17
– Nampahatsiahivin’i Jehovah ny karazana fanadinoana ananan’ireto vahoaka Isiraely. Fa matoa velona sy miriaria toa izao ireto vahoaka dia, noho ny tàna-maherin’i Jehovah namonjy azy tamin’ny tànan’ny Egyptiana, sy tamin’ny tànan’ny fanjakana REHETRA izay nampahory azy. and-18
– Jehovah mampahatsiahy hatrany fa, fandavana an’i Jehovah izao fangatahana mpanjaka ataon’ny vahoaka Isiraely izao. and-19
– Nalahatra teo anoloan’i Jehovah ny firenena Isiraely rehetra, araka ny arivony avy. and-19
– Ny firenen’i Benjamina no voafidy. and-20
– Tao no nifidianana an’i Saoly, fa niery izy. and-21
– Jehovah niteny: “Indro, miery ao amin’ny entana izy. and-22”
☝️Tsy nirehareha, na nanandra-tena i Saoly, raha notendren’i Jehovah ho mpanjaka.
– Faly ny olona, nahazo mpanjaka, ka nihazakazaka naka azy. Hita fa lava ranjanana i Saoly. Ary nihoby ny mpanjaka ny vahoaka. and-23-24.
– Nanome karazana fitsipika ihany Jehovah ho fitondrana ny fanjakana. Na dia efa fandavana Azy aza izao notanterahIna izao. and-25
☝️Andriamanitra, tsy mahafoy antsika. Tahaka an’i Adama sy Eva tao saha Edena. Na dia efa nanota sy tafasaraka taminy aza dia, mbola notafiany hoditra biby ihany.
– Nampodiana avokoa ny vahoaka. and-25
– Nody ihany koa i Saoly. and-26
☝️ Na dia efa voatendry ho mpanjaka aza izy, mbola niverina tany amin-tranon-drainy. Mbola nanao ny tenany ho zanaka. Mbola niandry izay famaritana ny asa hampanaovin’i Jehovah azy.
– “Nomba azy ny olona maro. izay voatendrin’ny tànan’Andriamanitra ny fony,” and-26 = Nankasitraka azy ny maro. ☝️Jehovah no nahatonga izany olona maro nomba azy izany.
– Manoloana ny nifidianan’i Jehovah an’i Saoly nefa dia nahitana:
. olona TENA RATSY FANAHY. and-27
. olona tsy manaiky izay safidy nataon’i Jehovah.
. olona tsy te hahatakatra akory ny halehiben’ny famindrampon’i Jehovah izay efa nisafidy olona ho mpanjaka ho azy.
. olona manimbazimba ny safidin’Andriamanitra ho an’ny vahoakany. and-27
– I Saoly kosa: “tahaka ny marenina. and-27”
= tsy nandraharaha izany.
= nanao ny nifidianan’i Jehovah azy ho mihoatra noho izany.
= nandray ny nifidianan’i Jehovah azy, ho hery entina miatrika ny ratsy fanahy am-pitoniana.

🌹Hatreho amin’ny fanetrentena ny asa fanompoana nanendrena anao.
🌹Hevero ny famindrampon’i Jehovah aminao, ka namonjeny anao teo amin’ny fiainanao.
🌹Hankasitraho an’Andriamanitra ny zavatra rehetra miseho amin’ny fiainanao, fa izany no didiny.

FF 26 – Jesosy reharehako

1- Tsy misy reharehako
Afa-tsy Ianao, Jesosy ô !
Anao ny hery, Anao ny haja
Sy Voninahitra
Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita
Indro efa resinao
Izao tontolo izao dia nahita
Fa efa nitsangana Ianao

Fiv: Sambatra aho, Jeso ô,
Manana Anao izay Tompon’ny hery.
Sambatra aho, Jeso ô,
Miankina eo an-tratranao
Ampy ahy ny Fitiavanao
Ampy ahy ny finoako Anao.
Raketiko ao am-po lalandava
Fa reharehako Ianao

2- Nasehonao ilay fahefana
Manda sy aroko,
Ka niala maina teo ilay satana
Izay fahavaloko
Tsy misy maharombaka akory
Izay eo an-tananao
Izany indrindra no ilazako
Fa reharehako Ianao

3- Tsy nisy nahitam-pamonjena
Afa-tsy taminao.
Nanaiky Ianao, tsy mba noterena
Hitondra aina vao.
Ny tananao mahery natsotranao
Mba hitantana
Hahaizako mandeha sy mizotra
Ny làla-marinao.

Ho voninahitr’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Amena.
Ho aminao anie ny fiadanan’ny Tompo.

Source From : Carol Ramaroson