Fiadanana. Mofon’aina ho anao.
Sabotsy 19 Aogositra 2023.
Oh. 3: 21 – 26
MIJOROA AMIN’NY FINOANA
1- Ka, Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava. and-21
. Fahendrena
= fitandremana ny didin’Andriamanitra. and-1
🌾 Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan’izay rehetra mankatò izany, Sal. 111 : 10 🌾
= afehezo am-bozonao ny famindram-po sy ny fahamarinana. and-3,22
👉 Asaina mandrakariva isika ny, hamindra fo tahaka an’Ilay Tompontsika; ny handeha araka ny fahamarinana, izany hoe ny handray sy hiaina araka ny tenin’ny Tompo amintsika.
🌾 tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. Deo. 6:5 🌾
🌾”Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” Lev.19:18 🌾(noraisina ihany koa ao amin’ny filazantsara)
Hoy ihany koa ny Tompo amintsika hoe:
🌾 Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, — Matio 5 : 44 🌾
☝️ Tsy misy nofo mahatanteraka izany fivavahana ho an’ny mpanenjika izany, fa asan’ny fanahy izany.
👉 Angataho ny Fanahy Masina hanome anao hery ahafahanao mivavaka
ho an’ny rehetra.
☝️ Ny fanatanterahanao ny tenin’ny Tompo, no hilazana fa mirakitra ao aminao ny fisainana mazava. Fa hoy Jesoa:
🌾 Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina. — Jaona 8 : 12 🌾
👉 Manaraha ny mazava. Tsy misy tombony ho azonao ao anaty aizina fa, fahaverezana sy fahafatesana mandrakizay no holovainao ao.
Hoy ny Tompo amintsika:
🌾 Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. — Matio 11 : 29 🌾
👉 Aza manamafy ny fonao fa ao amin’ny Tompo no ahitana fitsaharana.
🌹 Meteza ho mpankato ny Teny amim-pinoana sy fitiavana, mba hiraisanao lova amin’i Kristy.
2- Fa hiaro anao Jehovah. and-23
Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao. and-23
Ny fiainanao araka ny tenin’i Jehovah, sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao, no handrosoanao amin’ny fitokiana Azy.
🌾Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. — Salamo 34 : 8 🌾
☝️ Matoky ny tenin’Andriamanitra. Iza no tsy mitady fahasambarana?
👉 Tsy ho fantatrao izany raha tsy andramanao.
Hoy Jesoa:
🌾 Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao. — Jaona 16 : 33 🌾
☝️ Iza ry havana no tsy mba maniry ny hanana fiadanana?
👉 Manasa anao ary ny Andrian’ny Fiadanana, ny hisitrahanao izany Fiainam-piadanana izany ihany koa.
Raha manaraka ny teniNY isika dia, hialoha làlana antsika Izy. and-23
= Raha mikatsaka ny hitoetra ao aminy isika; Raha malaky mibebaka isika satria mahatsiaro nanota dia, ho tantanaNY mandrakariva.
🌾 Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy. — Isaia 59 : 2 🌾
Nefa raha tafaray aminy kosa isika amin’ny alàlan’ny Zanaka dia hoy indray Jehovah amintsika hoe:
🌾 fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony. Zakaria 2 : 12 🌾
☝️Tsy misy afaky ny mikitikitika ny zanany.
Izany no fiarovan’i Jehovah antsika.
☝️ Miasa mandrakariva Andriamanitra.
👉 Manatanteraka ny famaizana ny ratsy fanahy ihany koa Izy. and-25
👉 Hamelatra fandrika ny ratsy fanahy, fa i Jehovah mihitsy no hiaro ny zanany izay mitoky amiNY, tsy ho tratra izany. and-26
🌹 Lehibe sy mahatalanjona ny fiarovan’i Jehovah ny zanany.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Fa ho amintsika kosa ny fiadanany.
HIRA FFPM 584: AROVY NY FANAHINAY
1.
Arovy ny fanahinay,
Andriamanitra!
Tariho ny fanahinay (in-2)
Hanaraka Anao. (in-3)
2.
Hianao no hiankinanay,
Fa tsara Hianao;
Ka mamelà ny helokay (in-2)
Fa diso izahay. (in-3)
3.
Izahay hiantso Anao,
Andriamanitra!
Ka henoy ny fivavaka (in-2)
Ataonay Aminao. (in-3)
4.
Mitsinjova ny mpanota
Mahantra indrindra,
Fa Jeso, Ilay Mpanavotra (in-2)
No maty nisolo. (in-3)
Ho voninahitr’Andriamanitra Ray, Zanaka , Fanahy Masina. Amena..
Hamindra fo aminao anie ny Tompo.
Source From : Carol Ramaroson