✅VAKIO daholo ny famaritana ato amin’ny internet sy ny dictionnaire momba ny Yoga, dia ho hitanao fa tsy resaka ara-batana (Physique) fotsiny izany io, fa ara-tsaina (psychique) ary ara-panahy (Spirituel) koa indrindra indrindra.
✅Raha vao zavatra spirituel, izany hoe tontolo ara-panahy (misy resaka finoana) ka ivelan’Andriamanitra dia tsy mety amintsika Kristiana ny miditra amin’izany izay, na inona na inona. Ny “Esoterisme” rehetra tsy misy mety amintsika fa AZA MORA FITAHINA ISIKA, tontolo roa ihany no misy eto dia ny aizina sy ny mazava raha vao resaka ara-panahy.
✅10 TAONA izy no nanao YOGA hainy tsara io! Aza miteny hoe miteniteny foana izy. Henoy tsara ny ambarany fa tsy ao amin’ny Yoga no misy ny tena fitsaharana fa ao amin’i Jesoa irery ihany. Mety hitondra fitoniana fa sady hanandevo anao no mety hampiditra fanahy maloto any anatinao any koa satria varavarana misokatra ho amin’ny Tontolo ara-panahy hafa ivelan’Andriamanitra.
AFAKA NY ADIDIKO FA ANAO SY NY TOMPO SISA, OLONA NOMENA SAFIDY IANAO
Source