#35ansDeScène INONA DAHOLO NY HIRA ANDRASANAREO? 🥰 #MIOMANA

[Tononkira]

*** Olon-tsambatra***

Nangatahin’ny namana mpankafy iray ka hozaraina amintsika androany.
Ankafizo dia zarao 😉

Olontsambatra ianao tsy mba ketraka
Olontsambatra ianao mahay milefitra
Fitiavana tsy mety tofoka
Fitiavana mitsinjo namana
No manjaka aminao dia ho sambatra
Ianao sy ny namanao hiadana

Ho tony ny fo raha miaraka aminao
Ho dify avokoa ny sarotra
Ny fefy ho lo ny fo ho iray
Ny miady hifandray ho mpihavana

Ho adino hatreo ny fifandirana
Fo iray no hisedra ny manahirana
Fitiavana fifandeferana
Fitiavana mitsinjo namana
No ampanjakao fa ho sambatra
Ianao sy ny namanao hiadana

Ny ory ilayy tsy havan’ny manana
Ny osa nilaozan’ny tafarina
Ny very ilay tsy notadiavina
Ho raisina indray ho namana



Source From : BODO Diva’s Page Ofisialy