ANDRO NATOKANA HO AN’NY VEHIVAVY NY 08 MARTSA…FA MISY IREO VEHIVAVY IZAY MANANA ANDRAIKITRA MANOKANA EO AMIN’NY FIARAHAMONINA..
NDAO HIFANOME TANÀNA ISIKA AO AM LE PAVÉ ANTANINARENINA NY FOTOANA..
Mamans ô, andao mba hifanampy e,
Tsy misy mafy ho an’ny mamans mihoatry ny manana zanaka marary, nefa tsy manana na dia itondrana azy dokotera aza.
Izahay ato @Association Madagascar Trisomie 21 na MadaTriso
dia manentana ny fiombonampon tsika reny, hifarimbona aminay ho fanampiana ireo reny ato @Fikambanana, satria ny ankizy Trisomique matetika dia manana aretina manahirana.
3 ny ankizy ato @Fikambanana no tena manana fahasahiranana @fo, ka mila fandidiana. Misy koa no manana olana @reins.
Koa amin izao fankalazana ny 8 Mars izao, andao mba hiaraka aminay @fampisehoana iarahana @Bodo sy Fou’Hehy, eny Hotel Le Pavé Antaninarenina. Sady miala voly no manao asa soa.
Ny tapakila dia azontsika jifaina eny @Score Ankorondrano na NECT’ART Ankadifotsy ary eny an-toerana @andron’ny fampisehoana.
Misaotra ireo efa manjifa ary manentana izay mbola maniry hanao izany.
Misaotra mamans isany o!
Source From : Ando Andrianarisaina