BASY VERY TANY VAVATENINA
HITA TANY SOANIERANA IVONGO

Vaovao avy amina olona tsara sitrapo no nahafantaran’ny zandary fa misy olona 3 mampiahiahy anaty hotely lehibe iray ao Soanierana Ivongo. Voalaza fa avy nanao fanafihana tao Antanifotsy ireto jiolahy ireto, ary niafina tao amin’ity hotely ity. Tonga nitsirika tao amin’ilay hotely ny zandary ka tratra tao tokoa ireo basy very: poleta 1 sy MAS 36 miisa 3 ary bala maromaro, niaraka tamin’ireo entana avy nangalarina.Tafaporitsaka kosa ireo jiolahy ary mbola eo am-pikarohana azy ireo ny zandary.
(Sary nindramina)



Source From : Tia Tanindrazana