Be izay olona maty tamin’io lalana RN 13 io izay. Inona moa ny tenin’ny prezidà tamin’io lalana io? Mirary fionona feno ho an’ny fianakaviana izahay.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA RN13: olona maherin’ny 10 no voalaza fa may kila tao anatina taxibrousse iray mampitohy an’Ambovombe sy Tolagnaro (RN13), nivadika ary nirehitra avy eo.Nisy mpandeha 6 hafa avotra soa amantsara.Teo amina tanàna antsoina hoe Ranomainty no nitrangan’ny loza androany tokony ho tamin’ny 11 ora maraina teo . Tsy mbola fantatra mazava ny antony nampivadika ny fiara sy nahatonga ny firehetana fa raha ny hita amin’ny sary dia tafavoaka ny arabe ilay taxibrousse.
(Sary nindramina)





Source From : Tia Tanindrazana