Fiadanana, mofon’aina ho anao.
Alarobia 19 jolay 2023.
2 Tim 2: 8 – 13
HEVERO NY FIFIDIANAN’NY TOMPO
Paoly manoratra ho an’i Timoty = Paoly manoratra ho an’ny mpino kristiana.
– Ny olom-boafidy, ny olona efa nampahafantarina ny momba ny Tompo, isika milaza ny ho kristiana = mpanara-dia an’i Kristy = tokony efa nandray Azy, ho lohan’ny zavatra rehetra amin’ny fiainansika,…… dia asaina:
1) Mahatsiaro an’i Kristy. and-8
☝️Natsangana tamin’ny maty Izy + avy tamin’ny taranak’i Davida. and-8
= Sady taranaky ny Mpanjaka Izy no, Mpanjaka ambonin’ny mpanjaka rehetra = mpanjakan’ny mpanjaka.
☝️Izany Kristy izany no filazantsara torian’ny Paoly, dia ny famonjena natolotry ny Tompo ho antsika.
2) Miaritra fahoriana. and-9
☝️Na dia gadra aza. and-9, noho ny filazantsara.
☝️Ny tena no mety ho voagadra hoy Paoly, fa ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. and-9
👉Na dia mifatotra aza i Paoly, tsy mampijanona ny fitoriany ny filazantsara izany.
☝️Maro ny olom-boafidy, mila mandray famonjena = mila manaiky sy mietry tena, manoloana ny halehiben’ny Tompo, mba hahazoany ny fiainana andrakizay.
👉Adidintsika efa nandray famonjena, ny mitory amin’ny olom-boafidin’Andriamanitra.
– Teny mahatoky nomena antsika olomboafidy:
” Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;” and-11 – 12
. Miara-maty amin’ny Tompo = efa nandio ny tenany tamin’ny ràn’i Jesoa; efa nibebaka; efa niala tamin’ny ratsy fanao, tamin’ny alàlan’ny Tompo izay noraisina. Efa nitsotra ny fahotana, mba ho vonjena.
“Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po. Oh. 28: 13″
. Hiara-belona aminy koa = efa samy nalevina, ka hitsangana amin’ny maty ihany koa, lasa olom-baovao.
” Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 2 Kor. 5: 17″
☝️Fahafatesana = fandavana ny tena; famonoana ny maha ianao anao; ny fiainam-pahotana rehetra.
Araka ny tenin’i Paoly:
“… tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko. … Gal. 2:20”
☝️Fahavelomana = fiainana ao amin’ny Tompo; miaraka amin’ny Tompo,sy fankasitrahana ny teniny.
. miaritra : ny fanenjehana no hiaretana, sao hamaly ratsy ny ratsy,
Hoy ny tompo amintsika: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, Mat. 5: 44”
. miara-manjaka amin’ny Tompo = efa lasa mpiray lova aminy, sakaizany, zanaka natsangan’Andriamanitra, miray fandresena aminy.
. mandà ny Tompo = tahaka an’i Petera nandà azy in-3; menatra ny ho kristiana; mandà Azy noho ny fahatahorana ny olombelona, ka lasa tsy manao ny sitrapoNY.
. ny Tompo handà antsika: rehefa tonga ny fitsarana farany, dia hataony ho tsy fantany isika.
Hoy Izy: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. Mat. 7: 21”
☝️Raha manao an’i Jesoa ho Tompo isika dia, tokony harahana asa fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray izany.
☝️Isika olombelona no mety mivadibadika, fa ny Tompo sy ny teniny, dia tsy mba hiova mandrakizay. and-13
🌹Tsarovy mandrakariva i Kristy.
(Na mifoha, na matory, na eny an-dàlana, na rehefa miasa.)
🌹Mivavaha ho an’ny mpanenjika anao.
🌹Tsory amin’ny Tompo ny fahotanao, hamonjeny anao.
🌹Torio, ny filazantsara.
(Maro ny olom-boafidy, fa ny olom-boavonjy no vitsy.)
🌹 Andriamanitra no hatahory, fa tsy ny olona.
“Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ny helo. Mat. 10: 28”
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.
Mahereza sy Tahian’ny Tompo .
HIRA FFPM 512 – He! matoky aho, Tompo
1. He! matoky aho, Tompo,
Azoko ny teninao;
Teny soa mahafaly,
Teny avy aminao.
Fiv : He!matoky aho, Tompo,
Azoko ny teninao;
Teny soa mahafaly
No omenao ahy izao.
2. Tahotra amana ahiahy
Dia ariako izao;
Fa nomenao toky aho
Sady to ny teninao.
sns…
3. Izay rehetra fahotana
Entiko hesorinao;
Hianao no mahadio.
Ka diovy aho izao.
sns…
4. Mahasasa, mahadio,
Mahavonjy Hianao,
Ka mandray sy mahatondra
Tsara ho an-tranonao.
sns…
5. Jeso Tompo! avy aho,
Avy hankalaza Anao;
Raisonao re izay omeko:
Vola, tena, aina koa.
sns…
Ho aminao anie ny fiadanan’ny Tompo. Amen.
Source From : Carol Ramaroson