Fiadanana. Mofon’aina ho anao.

Alarobia 26 Jolay 2023.
HEVERO NY FIFIDIANAN’NY TOMPO
Liok. 6: 12 – 16

– Andriamanitra no efa nifidy ny Tompo. Hoy Izy:
” Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy. ( Mat. 17: 5)”
☝️Mitaky asa avy amin’ny Tompo izany nifidianan’Andriamanitra Azy izany.
👉Asam-pamonjena no anjara asan’ny Tompo tety an-tany.
☝️Notanterahin’ny Tompo hatramin’ny farany izany, ary nandresy ny fahafatesana Izy; nanome fiainana mandrakizay ho antsika Izy, ho vokatr’izany asa lehibe izany.

– Ny zanak’Andriamanitra mifidy ny iraka 12.
1) Mitokam-bavaka. and-12 (nankany an-tendrombohitra mba hivavaka i Jesoa)
– Inona no fifidianana hataonao na hatrehanao? hialoavy vavaka izany, mba ho Andriamanitra, ny fanahin’Andriamanitra, ny Fanahy Masina, no hanendry ireny olona ireny amin’ny alàlan’ny safidinao.

2) Maharitra ny vavaka. and-12 (alim-bavaka)
– Toro-làlana amin’ny vavaka:
. vakio ny Soratra Masina mba hifandraika amin’ny Soratra Masina ny vavaka asandratrao.
. Misaora ny zavatra rehetra.
. Angataho ny famindrampon’i Jehovah.
. Miaike heloka, fa tsy misy marina isika raha mbola mitafy nofo.
. Angataho ny ràn’ny Tompo hanadio sy hanamarina, hanamasina (=hanokana anao ho Azy) anao.
. Ambarao izay tonga ao am-ponao.
. Meteza tarihin’ny fanahy amin’ny vavaka.
“Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. (Jao. 4:24)”
☝️Tsarovy fa ny vavaka dia resaka hifanaovanao sy Andriamanitra.
Resaka = miteny, mihaino, …. fa tsy ianao irery no hiteny be, hitanisa olana, hangataka izay filàna rehetra fotsiny ihany akory.
. Mianàra mangina. Mihaino izay ambaran’ny fanahin’Andriamanitra aminao.
♥ Afaka mampahatsiahy anao teny fikasana, Andriamanitra, ao anaty vavaka asandratrao. Angataho Izy hanamarina ireny aminao.
☝️Asandrato amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo mandrakariva ny vavaka. Izany no midika fa ny Tompo mihitsy no manambara izany vavaka izany amin’ny Ray, ho anao.
Hoy Jesoa:
“Raha mangataka zavatra amin’ny anarako ianareo, dia hataoko izany. (Jao. 14:14)”
☝️Araho finoana ny vavaka hasandratrao.
= Minoa fa tena velona, sy miasa, ary mahita sy mandre, ny Andriamanitra hivavahanao.

– Ianao koa, efa nofidian’ny Tompo. Efa noresahaNY tamin’ny Ray. Efa nirahiNY. Efa ombàny.

🌹 Fantaro sy saintsaino ny antom-pisianao sy izay nisafidianan’ny Tompo anao, ary tanteraho izany.
☝️Na ianao miasa ho an’Andriamanitra, mitaona olona ho ao amin’ny fanjakany;
Na ianao mpanompo tsy mahasoa (=mitaona olona ho amin’ny fahaverezana. )
Hoy Jesoa tao amin’ny fanoharana iray, mahakasika ny mpanompo tsy mahasoa:
“Ary ario ho any amin’ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. (Mat. 25:30)”
🌹 Mitokàna vavaka, mahareta mivavaka hiasanao araka izay nanendren’ny Tompo anao.
🌹 Miasà amin’ny fahamarinana, fa Andriamanitry ny fahamarinana no Andriamanitra maniraka antsika; Andriamanitra mankahala ny fampirafesanao Azy.

🕊Ianao mbola miaina, velona, nofo sy rà no andrasan’ny Tompo hiverina sy hiasa ho Azy. Avelany hisafidy nefa ianao, ary efa nampahafantariNY ny vokatry ny safidy afaka horaisinao. An’i Kristy ve? sa an’i mamôna?
Hoy ny Tompo amintsika:
“Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna ianareo. (Lio. 16: 3)”

HIRA FFPM 281 – Vory eto izahay hihevitra ny asanao

1. Vory eto izahay
Hihevitra ny asanao
Tompo, manatreha anay
Ka asehoy ny sitrakao
Aoka Hianao no mba hitarik’anay
Ary ny Fanahinao hamelona aina anay

Fiv : Tompo, tahio izahay
Mba ho voninahitrao ny asa vitanay

2. Hahavita inona
Ny saina aman-kevitray?
Tena tsinontsinona
Ry Tompo ô Ny herinay
Koa mba midina eto afovoanay
Hanana aina masina ny fivorianay
Tompo, tahio izahay, sns…

3. Hianao no nanome
Ny asa hoheverinay
Tena adidy lehibe
No voatolotra anay
Enga anie ny sitrakao irery no hatao!
Aoka tsy ho vanona izay tsy sitrakao!
Tompo, tahio izahay, sns…

4. Areheto aminay
Ny afom-pitiavanao
Mba hahaizanay miray
Mitory ny anaranao
Hahavory marobe hanatona Anao
Hampamirapiratra ny voninahitrao!
Tompo, tahio izahay, sns…

Ho voninahitr’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Amena.
Hitafio Kristy, hampandresy anao hatrany.
Ho aminao anie ny fiadanan’ny Tompo.

Source From : Carol Ramaroson