Fiadanana. Mofon’aina ho anao.
Alatsinainy 13 jolay 2023.
Isa. 41: 8 – 13
HEVERO NY FIFIDIANAN’NY TOMPO.

Misarika antsika hahatsiaro ny maha olom-boafidin’Andriamanitra antsika mandrakariva, ny mofon’aina anio.
– olom-boafidin’Andriamanitra=
. Isiraely mpanompoNY, Jakoba, taranak’i Abrahama, Sakaizany. and-8
☝️ Hoy Jesoa amintsika REHETRA:
“Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo. Jao. 15:15”
👉 Isika rehetra izay efa nandre sy efa nandray fampianarana mahakasika an’i Jesoa no sakaizany, = olom-boafidin’Andriamanitra.
☝️Tsy mba manary antsika Andriamanitra. and-9
☝️Jesoa Mpanjaka Malaza sy Mahery, tompon’ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany no sakaizanao. Inona no tokony hampahory anao?
🌹 Hiaino ny teniny, ahatsapanao fa, sakaizan’i Jesoa ianao.

– Ireto no teny MAHATOKY ampahatsiahivina amintsika, amin’izao andro mampahory, toa tsy hahatsapana an’Andriamanitra mpiahy antsika izao.
Hoy Jehovah aminao:
. “Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho”. and-10
Momba antsika Izy= Izy no miahy, mijery ary mandray andraikitra amin’ny momba anao.
. “Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho. ” and-10
Jesoa izay efa mandondom-baravarana eo am-ponao no miandry anao hanaiky ny hampandroso Azy, mba hiainanao izany famonjeny izany. Famonjena ny sainao, fonao, ary indrindra ny fanahinao. Amin’ny alàlaNY, no ahafahan’Andriamanitra mitantana anao; amin’ny alàlan’Ilay fanahy Mahery paracleto:mpanolo-tsaina; Izy Ilay Làlana marina ahatongavantsika any amin’ny Ray.
Hoy Jesoa:
“…, tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jao. 14:6″
🌹 Jesoa Mpamonjy ihany no afaka hitokianao, ahitanao ny lalana marina, ho famonjena anao.
☝️Ataovy amin’ny anaraNY avokoa izay ataonao rehetra, hahatsapanao ny fitantanany anao.

– Ny mahakasika ireo ratsy fanahy kosa dia, ataon’i Jehovah ho: and-11-12
. menatra sy mangahiahy izay rehetra tezitra amin’ny mpanompon’Andriamanitra (na tezitra amin’ny sakaizan’i Jesoa)
. levona izay miady amin’ny olona efa omban’Andriamanitra.
= ataon’i Jehovah ho lasa foana, tsy mahomby izay teti-dratsy entina hiadina amin’ny olom-boafidin’Andriamanitra.
Hoy Jehova amintsika:
” …fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony. Zak. 2: 12″
🌹 Matokia an’i Jehovah fa efa nampiteneniny an’i Mosesy hoe:
“Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina. Eks. 14:14”
Hoy ihany koa Jehovah aminao hoe:
“Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao. and-13”

HIRA FFPM 171 – Jeso Mpanjaka malaza
1. Jeso Mpanjaka malaza
No Tompo Mpanjakanay ;
Mahery sy tsara indrindra
Ka Izy no aronay !
Mendrika hankalazaina
Noho ny heriny ;
Eran-tany sy lanitra koa
Ny zo aman-dazany !

Fiv : Ry Tompo Mpanjaka mahery ô,
Mihainoa, mihainoa !
Avy manaiky tokoa izahay
Fa Tompon’ny hery rehetra Ianao,
Tsy misy mihitsy ny toa Anao,
Tsy tratry ny saina ny herinao !
Ny fiderana ‘zay entinay, raiso re ;
Ny haja atolotra Anao ety, raiso izao !

2. Tompo Mpandahatra hendry,
Mpanao izao rehetra izao
Ny zara sy tendry ataony
Dia tsara sy mahasoa ;
Mendrika ny hoderaina
Ny fandaharany ;
Atolory ho Azy ny saotra
Fa izy tandrifin’io !
Ry Tompo Mpanjaka mahery ô, sns…

3. Tompo Mpanjaka Tsitoha
Kanefa be indrafo !
Deraina eram-po eran-tsaina,
Deraina mandrakizay !
He, ny mpanompo voavonjy
Samy mihoby hoe :
« Haleloia ho amin’ny avo,
Fa Jeso no Tomponay ! »
Ry Tompo Mpanjaka mahery ô ! sns…

Homba anao anie ny Tompo .
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra, fa ho amintsika kosa ny fiadanany.
Tahian’ny Tompo.
Mahereza indrindra tompoko.

Source From : Carol Ramaroson