Fiadanana, mofon’aina ho anao.

Alatsinainy 24 Jolay 2023.
HEVERO NY FIFIDIANAN’NY TOMPO
1 Tan. 28: 1 – 7

ANDRIAMANITRA MIFIDY:
1) Mamaritra ny asa sahaza ho anao.
– Raha nanana fikasana ny hanorina ny Tempoly i Davida mpanjaka, sady efa nanangona izay fitaovana rehetra entina manangana izany, dia hatreo ihany no azony natao, fa nosakanan’Andriamanitra izy. and-2-3
Hoy Andriamanitra taminy:
“Tsy hanao trano ho an’ny anarako ianao, and-3”
☝️Davida, nanam-pahendrena .Nanaraka ny tenin’i Jehovah. Nolazainy ampahibe maso mihitsy izany. Novoriany ireo LEHIBE REHETRA tamin’ny Isiraely, mba hanambarana izany. and-1
Hoy ihany koa Andriamanitra taminy hoe:
“… , satria lehilahy mpiady sy mpandatsa-drà. and-3”
Fantatsika nefa fa Andriamanitra ihany koa no efa nanomana an’i Davida ho mpiady, raha mbola tany am-piandrasana ondry izy.
☝️Tsy azo atao amin-kafanam-po be fotsiny ihany ny asan’Andriamanitra.
🌹Fantaro izay asa fanompoana nofaritan’ny Tompo ho anao.

2) Manendry ny olona ho zanaNY. and-5
Hoy Andriamanitra tamin’i Davida:
“Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy. and-6”
☝️Jesoa Kristy Tompo no modely, lohany, amin’ny maha zanak’Andriamanitra Azy. Ny fanatanterahany ny sitrapon’ny Ray an-tsakany sy an-davany no tiana ambara eto.
👉Isika rehetra izao no efa nandatsahan’ny Tompo ny ràny; efa nantsoina ny ho tonga zanak’Andriamanitra ihany koa. Samy efa nofidiana avokoa.
🌹 Meteza ho zanaka natsangan’Andriamanitra amin’ny alàlan’i Kristy Tompo.

3) Manome teny fampanantenana amintsika. and-7
Hoy Andriamanitra mahakasika ny fanjakan’i Solomona:
“hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, ”
= ombàn’Andriamanitra mandrakizay ny fitantanany.
☝️Tsy miankina amin’Andriamanitra irery anefa izany teny fampanantenana izany fa,
☝️mila maharitra sy mitandrina ny didin’Andriamanitra isika, raha tiantsika ny ho ombàn’Andriamanitra. and-7
🤔maharitra ?
Efa fantatr’Andriamanitra fa tsy mora ny fiainantsika ety, ka izany no ilàna faharetana amin’ny fitandremana ny didiny.
Hoy Andriamanitra:
” raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandrakariva izy tahaka ny amin’izao anio izao. and-7″
– mandrakariva = tsy mitsahatra, tsy hankijanona, hatrany hatrany,.
– tahaka ny amin’izao anio izao:
Rehefa nangataka ny “fahendrena” i Solomona mba hitondrany ny vahoaka sy ny fanjakana, dia nomen’Andriamanitra harena be ihany koa izy, ho fanampin’izany.
☝️Tsy vaovao tamin’i Solomona izany mahatandrina ny didin’Andriamanitra izany.
☝️Fa fantatsika koa fa, voasariky ny andriamanitra sampin’ireo vadiny hafa firenena izy nony taty aoriana.
= fampirafesana an’Andriamanitra.
🌹Tsarovy mandrakariva ny teny fampanantenana nataon’ny Tompo taminao, haharetanao amin’izao fiainana izao.

🎋Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena. (Mat. 10: 22)🎋

♥ Mbola tsy tara izao, hiverenanao ao amin’ny Tompo.

HIRA FFPM 288 – Sambatra izay voafidy ho mpiasanao

1. Sambatra izay voafidy
Ho mpiasanao
Ka hanohy ireo adidy
‘Zay natombokao,
Ho mpitaiza ny fanahy
Toy ny vitanao
Ho mpiady tena sahy
Tarikao Jeso.

2. Dia mpiasa tsy an-tery
Ka mafana fo,
Te-hanangona ondry very
Marobe tokoa,
Te-hitaona ny tanora
Sy ny zaza koa,
Tsy hifidy asa mora,
Fa ho mpankato.

3. Hianao ry Jeso Tompo,
No nampianatra
Ny olonao mba hanompo
Tsy mitsahatra
Tsy handala ny talenta
‘zay natolotra;
Fa aina re no fetra
Entina manao.

4. Nefa tsy matoky tena
Fa malemy moa,
Ka dia mila fahendrena
Mila hery koa;
Ho mpiasa mahavita
‘Zay anjara ety,
Mandra-pody ao am-pita
Aminao ary.

Ray Masina ô, manamasina anay amin’ny fahamarinana. Ny teninao no fahamarinana. Amena.
Ho voninahitr’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Amena.
Ho aminao anie ny fiadanan’ny Tompo.

Source From : Carol Ramaroson