Fiadanana. Mofon’aina ho anao.
Sabotsy 29 Jolay 2023.
HEVERO NY FIFIDIANAN’NY TOMPO
Eze. 3: 4 – 14
Ezekiela = Hampaherezin’Andriamanitra.
Izy dia mpaminany lehibe sy mpisoron’Andriamanitra teo amin’ny jiosy. Ambaran’ny mpahay tantara fa izy no nanoratra ny boky. Niara-nihira tamin’i Jeremia sy Daniela. Zanaka mpisorona izy. Nentin’i Nebokadnezara ho babo tany Babylona niaraka tamin’ny mpanjakan’ny Joda sy olona ambonimbony iray alina izy ny 599 BC. Tamin’ny taona fahadimy namaboana azy no nantsoin’Andriamanitra ho mpaminany izy. Be fahalalana izy, ary nanaja dia nanaja azy ny jiosy voasambotra tany Babylona, na dia mafy indrindra aza ny nampitenenin’i Jehovah azy.

ANDRIAMANITRA MIFIDY:
1) Maniraka. and-4
– Misy zavatra takian’i Jehovah aminao, rehefa nofidiany ianao.
👉Irahiny hanambara ny teniny ianao.
🤔Ahoana no hataonao, raha mba efa olona manan-kaja teo anatrehan’ny fiaraha-monina ianao vao irahin’ny Tompo hanambara ny fanjakan’Andriamanitra?
🌹Meteza hirahin’Andriamanitra.

2) Mamaritra ny toerana handehananao. and-4
Ny taranak’Isiraely ihany no nanirahany an’i Ezekiela eto. and-4
☝️Tsy izay tianao atao, no afaka ataonao ao amin’ny fanirahan’ny Tompo.
☝️Tsy ilaina akory ny mikaroka izay toerana hitoriana ny filazantsara, fa ny Tompo no mametraka izany ao am-ponao.
👉 Fantaro ny anjara asa fanompoana nanendren’ny Tompo anao, fa ny fanaovanao izany no hitahiany anao.
☝️Miteraka korontana ho an’ny hafa ny fahadisoan’ny safidy ataonao.
👉Tantaran’i Jona nandositra ny iraka nampanaovin’i Jehovah azy, ka laozany nankany Tarsisy nandeha sambo. Nampisamboaravoara ny ranomasina, saika nahavaky ny sambo, raha tsy natsipy tany an-dranomasina izy, vao nifona tamin’i Jehovah tao an-kibon’ilay trozona be, ka nandeha nankany Ninive ihany, nanatanteraka ilay tena iraka nampanaovina azy. Jona 1,2,3.
Na ao an-trano isika, na eny amin’ny fiaraha-monina, na any amin’ny sehatr’asa misy antsika; eo amin’ny firenena, dia tokony hitondrantsika tena araka ny maha olom-boafidy antsika fa:
🌹Fantaro izay tena asan’Andriamanitra ho anao, ary tanteraho izany.

3) Mampanao zavatra sarotra aminao. and-5
Sarotra eto: any amin’ny zanak’Isiraely azo babo i Ezekiela no nirahina.
Jesoa efa niteny: “Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin’ny taniny sy ny mpianakaviny ihany. (Mat. 5: 57)”
☝️Nambaran’i Jehovah fa raha tany amin’ny firenena hafa no anirahana azy, dia hihaino azy ny olona. 🤔and-6
☝️Nahoana ary no toa mila voa-tsy ary ohatr’izany Andriamanitra hoy isika?
Nataon’Andriamanitra izany mba hanehoana ny voninahiny ao amin’ny fanefena, famolavolana, fampiasana sy fanirahana ny olona nofidiany.
🤔 Inona no antony tsy hihainoan’ny taranak’Isiraely an’i Ezekiela?
👉Andriamanitra mihitsy no efa tsy hainoany. and-7
Hoy Jesoa tamin’ireo mpianany: “Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy. (Mat. 10: 40)”
☝️Ny olona tsy mety mihaino an’Andriamanitra :
= taranaka mafy handrina sy madi-po hoy Jehovah. and-7
. olona tsy mba azo atoro na hanarina sy tenenina. Olona mpanara-po amin’izay filàn’ny fony rehetra, ka alavitra azy ny hihevitra ny hanetry tena amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra.
🌹Matokia an’i Jehovah eo amin’ny fijoroanao vavolombelon’ny fahamarinany, fa Izy no efa momba anao.

4) Manome izay ilainao ho fanatanterahana ny asany. and-8
👉Manamafy orina tsara ny olona irahiny. Ka manome hery, hiatrehana ny olona anirahana azy. and-8
(2 Tim. 1: 7) “Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.”
☝️ Raha tahotra no tsy handehananao, dia aza manahy fa efa fanahy mahery afaka ny hifanandrina sy hiatrika izay nampanirahana anao no omena anao.
👉Mananatra anao, sy mampahery anao. and-9
👉Mitantana sy miaro, ary momba antsika izy. and-14
👉Misarika anao ny hankamamy ny teniny, mialoha ny handehananao. and-10
🌹Ankamamio ao anatin’ny fanatanterahana ny asa ny teniny.

Mifaly sy mikorana ny ao an-danitra ao rehefa misy olona vonona, mety, amin’izay hampiasain’i Jehovah azy. and-12

HIRA FFPM 316 – Maizina ny firenena

1. Maizina ny firenena,
Koa diso lalana,
Tsy mahita famonjena,
Tia zava-poana;
Endrey, ny haverezan-tsainy,
Lany foana ny ainy.

2. Lehibe ny aizin’ota,
Takona ny lalana
Handosiran’ny mpanota
Ny fahaverezana;
Indrisy, very re ny aina!
Injany ny feo mitaraina!

3. Mitsangàna izao, ry mino,
Mandehàna faingana,
Ento aminy ny jiro,
Atoroy ny lalana;
Hianao va tsy onena
Ny tsy manam-pamonjana ?

4. Dia ento ny mazava
Izay naseho taminao;
Mazotoa hampisava
Izany aizim-pito ao,
Ka ny namanao mahantra
Itorio ny Mpiantra.

5. Eny, tsara sy mahery
Ny filazantsara re!
Afaka ny olom-bery,
Sambatra ny mahare
Ka mitandrina tokoa
Izany teny mahasoa.

Ho voninahitr’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Amena.
Ho aminao anie ny fiadanan’ny Tompo.

Source From : Carol Ramaroson