Fiadanana. Mofon’aina ho anao.
Zoma 07 Aprily 2023.
Apo. 7: 9 – 12
NY HERIN’NY FITSANGANAN’NY TOMPO

HITSANGANA EO ANOLOAN’NY SEZA FIANDRIANAN’ANDRIAMANITRA NY OLON’NY TOMPO KA: and-9

– Hiakanjo akanjo fotsy lava ireo. and-9
and-14: ” Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry. ”
Loko fotsy: lokon’ny fandresena.

– Nihikiaka ireo vahoaka niakanjo akanjo fotsy lava nanao hoe:
Andriamanitra sy ny Zanak’ondry ihany no mamonjy antsika. and-10

– Ireto avy no voatanisan’i Jaona fa hitany nanodidina ny seza fiandrianana, ka niankohoka, nivavaka tamin’Andriamanitra. and-11
. “nisy anjely efatra nitsangana teo amin’ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin’ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin’ny tany, na amin’ny ranomasina, na amin’ny hazo akory aza. and-1” = zava-manan’aina efatra
. anjely rehetra
. loholona ( presbytera)

– Nankalaza , Nisaotra, Nanome Voninahitra, ary indrindra nanaiky fa ny fahendrena, hery, faherezana dia avy amin’Andriamanitra sy an’Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, ireo mponin’ny lanitra maro be ireo. and-12

☝️ Te mba ho isan’ny mponin’ny lanitra ve ianao?
🌹 Safidio ny ho mpandresy miaraka amin’ny Tompo.
🌹 Meteza hodiovin’ny Tompo amin’ny ràny ny momba anao manontolo.
🌹 Omany sy hiaino dieny mbola ety, izany fiainam-pisaorana, fiankohofana, fiderana, sy fankalazana ny heriNY sy ny fahefaNY izany.

Fihirana FFPM, 410: RY JESO Ô! JEREO.

1.
Ry Jeso ô! Jereo
‘Ndrao maty, Ka vonjeo;
Ry Kristy, Vonivatonay!
Mba raiso izahay.
Mahantra izahay.
Ka ory ny fonay;
Ry Tompo be fiantra ô!
Mba miantrà anay.

2.
Mpanavotra ô! Jereo,
‘Ndrao very, ka vonjeo;
Ry Kristy, Orimbatonay!
Avoty izahay.
Mpanota izahay,
Maloto ny fonay;
Ry Zanak’Andriamanitra ô!
Vonoy ny otanay.

3.
Mpanjaka ô! Jereo
‘Ndrao lavo, ka vonjeo;
Ry Kristy, Harambatonay!
Arovy izahay.
Malemy izahay;
Ry Tomponay mahery ô!
Tantano izahay.

Hamindra fo aminao anie Jehovah ka hiahy ny momba anao.
Hohamarinin’i Jehovah aminao anie ny teniNY manao hoe:
🌾ary ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany. — Isaia 45 : 11 🌾

Ho voninahitr’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Amena.
Ho aminao anie ny fiadanan’ny Tompo.

Source From : Carol Ramaroson