Fiadanana. Mofon’aina ho anao.

Zoma 09 jona 2023.
Lio. 1: 68 – 75

IORENAN’NY FAHAFAHANA NY TOMPO

Ny filazantsara araka an’i Lioka.
Lioka: Dokotera, nanaraka an’i Paoly (nitsabo azy, no nanoratra ihany koa); (nanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly); nitory an’i Jesoa mpanavotra, izay manafaka ny olona REHETRA. Mitanisa ny tetiharana nihavian’ny Tompo hatramin’ny Adama “zanak’i Enosa, zanak’i Seta, zanak’i Adama, zanak’Andriamanitra. — Lioka 3 : 38 ” no mankao amin’ny anaran’ny Tompo.
☝️ Natolotra ho fanavotana antsika olombelona REHETRA ny Tompo. and-68
– i Jesoa Tompo no ambaran’i Lioka ho “tandrom-pamonjena avy amin’i Davida mpanompon’Andriamanitra ” natsangan’ny Ray ho famonjena antsika. and-69
☝️ Ilay efa nambaran’ireo mpaminany tao amin’ny Testamenta taloha. and-70
🌹 Manana ny Mpamonjy tokoa ve isika?

– Ny Famonjen’ny Tompo:
. Famonjena amin’ireo fahavalo. and-71
☝️ tandremo fa tsy olona no fahavalo fa ny Fanahy ratsy eny amin’ny rivotra; ny zana-tsipika alefan’ilay ratsy.
. Famonjena amin’ny tanan’izay rehetra mankahala antsika. and-71
“Hatolotr’i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao. — Deoteronomia 28 :
☝️Tsy mivadika amin’ny fanekeny izany i Jehovah. Sady mpamindra fo Izy. and-71-72
🌹 Aza tsinontsiniavina ireo fanekena efa nataonao teo anatrehan’i Jehovah.

– Faneken’i Jehovah :
.Tamin’i Abrahama: “Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao. — Genesisy 13 : 16″ankohatra ireo tany nomen’Andriamanitra azy.
. Ny ahafahan’ny vahoakany manompo Azy tsy amin-tahotra, satria efa nafahana izy ireo. and-74
☝️Tany Egypta ny vahoaka Isiraely dia, tsy afaka nanompo an’i Jehovah. Egyptiana no fahavalony tany.
☝️Aty amin’ny fanekena vaovao, vahoaka maro fihaviana; maro fomba no lasa kristiana. Ary lasa ireo izay tsy nanaiky sy tsy niaina araka ny fivavahana kristiana no nanao ny tenany ho fahavalon’ny kristiana.
🌹 ” Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, — Matio 5 : 44 ”

– Hoy ny Tompo amintsika:
“Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. — Jaona 4 : 24”
☝️Ny olona mandeha araka ny Fanahy dia olona efa nandray ny Tompo. Ary amin’ny alàlan’ny fanahy sy ny fahamarinana no hivavahany.
🌹 Hoy Jehovah:
Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo. — Levitikosy 19 : 2

Fihirana FFPM, 602
RY ANDRIAMANITRY NY FAMONJENA

1.
Ry Andriamanitry ny famonjena
Sy kintana antenain’ny firenena,
Henoy ny fangataham-pandresena,
Ry Ray Tsitoha!

2.
Ilay fitopatopan’ny alondrano
Sy rehrehan-drafinay fohano
Ny olonao mahantra mba tantano,
Ry Ray mpiaro!

3.
Raha osa, Hianao mahay mitàna,
Raha reraka asiam-pahotàna,
Ny herinao tsy resin’i Satana,
Ry Ray Mahery!

4.
Ampionao izahay handresy rafy,
Ampionao mba haharitra ny mafy,
Ampionao tsy ho ketraka mihafy,
Ry Ray Mpanampy!

Ray Masina o, manamasina anay amin’ny fahamarinana. Ny teninao no fahamarinana. Amena.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Fa ho amintsika kosa ny fiadanana .
Tahian’ny Tompo.

Source From : Carol Ramaroson