Fiadanana. Mofon’aina ho anao.

Zoma 23 jona 2023.
Lio. 7: 1 – 10
IORENAN’NY FAHAFAHANA NY TOMPO

-Jesoa manatona antsika. and-1
– and-2 Ary ny mpanompon’ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty.
. kapiteny: olona manam-boninahitra amin’ny tafika; tahaka an’i Zakaiosy lehiben’ny mpamory hetra.
. malalany: misy milaza fa, tian’ilay kapiteny mihoatra noho ny zanany ilay mpanompony
. narary efa ho faty: tsy misy ny azo natao taminy intsony, mba hahasitranany.
-and-3 Koa raha nahare ny amin’i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholon’ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.
. fahefan’ilay kapiteny: afaka maniraka ny loholon’ny Jiosy.
. finoan’ilay kapiteny: fantany sy inoany fa hahasitrana ny mpanompony ny Tompo.
– Ny lazan’ilay kapiteny eo anatrehan’ny loholon’ny jiosy:
. mpanao asa soa. and-5
. nanao ny synagoga ho an’ny jiosy. and-5
☝️na ny iraka aza dia niaiky fa miendrika ny heken’ny Tompo ny hanasitranana ny mpanompony. and-4
👉 nahita soa tamin’io kapiteny io ny firenena.
👉 Jesoa manaiky, nandeha nankany an-tranon’ilay kapiteny. and-6
👉 Tsy nampidirin’ilay kapiteny an-trano i Jesoa:and-6
. nanana fanetren-tena izy. Tahaka an’i Jaona mpanao batisa, nilaza ny tsy mendrika ny hamaha ny fehin-kapan’i Jesoa akory,
. mahatsiaro ho tsy mendrika ny hihaona amin’ny Tompo ihany koa izy.
☝️fa mino izy, fa ny teny hataon’ny Tompo ivelan’ny trano misy ny marary, ho fanasitranana azy, dia efa ampy, hahatanterahan’izany. and-7
👉 Nampitahain’ilay kapiteny tamin’ny fahefany haniraka izay olona rehetra niandraiketany, sady manaiky avokoa, ny fahefan’ny Tompo hiteny, ho fanasitranana ny ankizilahiny. and-8
= fantany fa rehefa ny lehibe, izay manam-pahefana no mibaiko sy maniraka ireo olona eo ambanin’ny fifehezany dia tanteraka tokoa izany. Ary indrindra, fantany, fa manam-pahefana amin’izao rehetra izao ny Tompo ka afaky ny hilaza avy lavitra ny fanasitranan’ilay mpanompo, dia ho sitrana izy.
– Gaga ny Tompo noho ny haben’ny finoan’ilay kapiteny. and-9
☝️ ny finoan’ny Isiraely moa no nentin’ny Tompo nampitahaina tamin’ny finoan’ilay kapiteny, izay tena nanam-pinoana teo imason’ny Tompo teto. and-9
– Hita fa sitrana ilay mpanompo, rehefa tafaverina tao an-trano ireo iraka. and-10
☝️ Ny finoan’ilay kapiteny no nahasitrana ny malalany.

Tsarovy ary fa, manatona antsika tsirairay avy mandrakariva ny Tompo, mba hitondra fanafahana ho antsika. Ny anjaratsika dia ny:
🌹 Miantso Azy am-panetren-tena.
🌹 Manaiky ny hanjakany eo amin’ny fiainantsika.
🌹 Manao asa soa araka izay azo atao. “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”
🌹 Mino ny halehiben’ny voninahitr’Andriamanitra.

HIRA FFPM 378 – Ho aiza, ho aiza izao hianao
1. Ho aiza, ho aiza izao hianao,
Ry havako izay mbola tia
Ny fomban’ny nofo manimba anao?
Avia, ry olo-mania!
Henoy, fa miantso ny Tompo!

2. Ho aiza, ho aiza izao hianao,
Ry havako mbola tamana
Ao amin’izao fivelomana izao,
Ka fatra-pikiry hitana
lzay zavatra halan’ny Tompo?

3. Hevero fa tsy mba mahafaka anao,
Ka tsy mba heken’ ny Mpitsara
Ny fahamarinana ao aminao;
Ny an’i Jesosy no tsara,
Ka dia katsaho ny azy!

4. Ekeo ny tenin’ny Tompo izao,
Inoy ny toky nomeny,
Ka dia ho hita ny làlam-baovao,
Izay voatoron’ny teny:
Jesosy no làlana tsara.

Ray o, ampio izahay hahay hitandrina ny teninao. Amin’ny anaran’i Jesoa kristy Tompo. Amena.
Ho voninahitr’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Amena.
Ho aminao anie ny fiadanan’ny Tompo.

Source From : Carol Ramaroson