Fiadanana. Mofon’aina ho anao.
Zoma 26 May 2023.
1 Kor. 6: 9 – 11
ANDRIAMANITRA MIASA NY FANAHY MASINA

“… ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra . and-9”

Iza ihany ary no marina, raha ireto no atao hoe tsy marina eto? and- 9 -10
. Ny mpijangajanga
. Ny mpanompo sampy
. Ny mpaka vadin’olona
. Ny sodomita
. Ny mpangalatra
. Ny mpierina= mpanao izay hahazoana bebe kokoa mihoatra noho ny anjaran’ny tena.
. Ny mpimamo
. Ny mpanaratsy
. Ny mpanao an-keriny
Ireo no voalaza tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.
☝️ Ny olona efa mino= misotro ; mandray ary mampihatra ny tenin’i Kristy amin’ny fiainany; efa voasasa sy nohamasinina ary nohamarinina tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitra and-11, dia tsy tokony ho voafitaka amin’ireo intsony.

Ahoana ary no mety hamitahan’ny ratsy antsika efa mino?
– Amin’ny fanasana anao hijangajanga fotsiny tsotra izao, satria hoe izany no fataon’ny rehetra? ka toa lazaina ho taraiky sy adala raha tsy mba manao ohatran’ny “rehetra”????
– Tahaka izany ihany koa ny lainga.
Toa lasa fahazarana, toa tsy hita izay maharatsy azy, nefa mamitaka sy mitondra any amin’ny fahaverezana izany.
– Fantatra fa fomban-drazantsika ny fanompoan-tsampy, sady toa nahitan-tsoa, toa mitahy sy miaro, manambina, …. ka nahoana hoe no hatakalo andriamanim-bazaha?
👉 Ahitana ny sarangan’olona isan’ambaratongany ny fankatovana ny fanompoan-tsampy.
☝️Tandremo fa, Andriamanitra Ilay Nahary izao rehetra izao, na ny hita na ny tsy hita, Ilay velona, sy mahita, mandre, ary miteny amintsika, mamonjy, mampahafantatra ny tenaNY amintsika araka ny fotoaNY sy izay mety hahatakarantsika Azy, Ilay Mandrakizay, saro-piaro, tsy tia ampirafesina amin’ny andriamaninkafa ,, Ilay niresaka tamin’i Mosesy nanome ny didy 10 mba ahalalantsika sahady ny tsara sy ny ratsy eo anatrehaNY,, Nanome antsika ny zananilahy tokana ho solon’ny fahotantsika…. no natao hotompoina sy hoderaina, hitokiana, ary hivavahana.
👉 Izay rehetra hivavahantsika sy avelantsika hanan-kery eo amin’ny fiainantsika ivelan’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina no sampy.
👉 Avereno amin’ny tompony ny vadin’olona.
👉 Aza mandry amin’ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. — Levitikosy 18 : 22
👉 Tsy handovanao ny fanjakan’Andriamanitra ny halatra. Mety hanan-karena be ianao ety ambonin’ny tany noho ny halatra nataonao (tahaka an’i Zakaiosy), fa tsy ilay lalana marina mitondra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra izany.
☝️ Nefa afaky ny hanankarena ihany koa ny mino, fa ho harena azony avy amin’ny fahamarinana araka ny fahatahorana an’Andriamanitra izany.
👉 Ny Fanahy Masina sy ny fankatoavantsika ny tenin’Andriamanitra, no hery lehibe ahafahantsika manohitra ny fitaky ny fakam-panahy isan-karazany te handavo antsika.

🌹 Fantaro ny fanahy miteny aminao.
🌾Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo. — Galatiana 5 : 17🌾
🌹 Tanteraho ny sitrapon’Andriamanitra aminao.
🌹 Mahareta hatramin’ny farany.
🌾Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena. — Matio 10 : 22 🌾

FIHIRANA FANAMPINY , 39
RAY O! MBA FANIRIAKO

1.
Ray o! mba faniriako,
Raha toa ka sitrakao
Ny handova lanitra
Dieny ety an-tany
Kanefa tsy izaho irery
F’ireo izay mino Anao
Hiaraka amiko
Hatrany hatrany.

Fiveranana :
Endrey ny fiainanay anilan-dRay
Ny Tompo iray, Fanahy iray
Iraisana avokoa ‘reo asa soa
Iray ny fo, iray ny loha
Ray o! nahoana moa e!
Raha atomboka anio?

2.
Ray ô! mba faniriako
Raha toa ka sitrakao
Ny ho zanaka manoa
Feno fahendrena
Hilofo hatrany koa
Hamita ireo asanao
Ka tsy hirehareha
Fa hanetry tena.
[FIV.]

Ho voninahitr’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Amena.
Tahian’ny Tompo.

Source From : Carol Ramaroson