Fiadanana. Mofon’aina ho anao.

Zoma 31 Martsa 2023.
1 Tim 2: 1 – 7

MAMERINA HO AMIN’NY FAHAMARINANA NY TOMPO

Ny amin’ny fivavahana ho an’ny olona rehetra

– Fananaran’i Paoly ho antsika kristiana
Isika mpanara-dia ny Tompo dia mila:
. mangataka
. mivavaka
. mifona
. misaotra
ho an’ny olona REHETRA. and-1
– Iza moa no voatonona manokana eto? and-2
. Ny mpanjaka
. Izay rehetra manana fahefana (mpitondra fanjakana, mpitondra fivavahana, mpanabe, filohan-drafitra, ….)
– Ny zavatra hangatahana ho azy ireo: and-2
. hampiadana antsika entina (vahoaka)
. hampandry fahalemana antsika
Ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra sy fitondran-tena mifanaraka amin’izany.
☝️Ankasitrahan’Andriamanitra izany vavaka ho an’ny mpitondra izany, fa tsy isika vahoaka sy kristiana ihany no tian’Andriamanitra ho vonjena fa na ireo mpitondra ireo koa aza, mba tiany hahalala ny fahamarinaNY. and-3 – 4

– 5 Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,
Hoy Andriamanitra hoe:
🎋 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, ….. Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. (Eks. 20: 2 – 3) 🎋
☝️ Iray no Andriamanitra. Iray ihany no Mpanalalana dia i Jesoa Tompo :
🎋 Ary Jesosy niantso tamin’ny feo mahery, dia afaka ny ainy.
Ary ny efitra lamba tao amin’ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany. Mar. 15: 37 – 38 🎋
☝️ Tsy misy mpanelanelana antsika amin’Andriamanitra afa-tsy i Jesoa intsony. Izy no nanolotra ny tenany ho famonjena antsika ( tsy mila manao sorona intsony, fa efa vita ny fisoronany), ary izany famonjena izany no toriana amin’izao tontolo izao. + and-6

– Isika efa mahalala koa dia efa notendrena hitory, hilaza ny marina, hampianatra ny jentilisa (tsy jiosy), ary hanam-pinoana be sy handeha amin’ny fahamarinana ao anatin’izany asa masina atao izany. and-7

🌹 Tiava ny olona rehetra.
🌹 Mivavaha ho an’ny olona rehetra, sy ny firenentsika.
🌹 Torio ho fantatry ny rehetra ny fahamarinan’Andriamanitra.

❤️ 🎋Mifalia amin’ny fanantenana; miareta amin’ny fahoriana; mahareta amin’ny fivavahana. Rom.12: 12 🎋

350 – Hianao ry Ray no mibaiko

1. Hianao ry Ray no mibaiko
Hanaovanay ny asanao
Ka ny handà dia zava-tsy haiko
Na sarotra aza ny atao
Ny fitoriana lalaina
Natomboky ny mpianatrao
Dia tsy azo atao very maina
Fa he, tohizanay izao.

2. Fa mbola adidin’ny mazava
Mitondra ny fanala izao,
Hiainga, handeha hampisava
Ny aizina ao an’ala ao.
‘Reo rahalahy sy rahavavy
Dia be tsy mahalala Anao
Koa indro, Tompo, aho, avy
Hitory ny Anaranao.

3. Kanefa tsy ny eto ihany
No anirahanao anay,
Fa na ny any lavitra any
Dia samy mbola adidinay.
Hiezaka, hikely aina,
Ho mafy koa ny teninao
‘Zay hany tena mofon’aina,
Ho an’izao tontolo izao.

Ho voninahitr’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Amena.
Tahian’ny Tompo.

Source From : Carol Ramaroson