FIANAKAVIAN’I RAISSA
“MANAHY NY AMIN’NY HAHAZO NY HAVANAY IZAHAY”

Manahy ny amin’ny mety hahazo ny fianakavianay izahay ka nisafidy ny hanome anareo mpanao gazety ireto Dosie sy horonam-peo ireto, hahafantaran’ny vahoaka malagasy ny zava-misy marina ao amin’ny fitsarana, hoy ny solotenan’ny fianakavian’i Raissa, nihaona tamin’ny mpanao gazety teo Andranomena omaly. Efa taorian’ilay horonam-peony sy sefo Tata no efa nitady ny fomba rehetra hamoahana ny porofo teo aminy i Raissa saingy misy sakana foana, hoy ny fanazavana . Ny 18 febroary 2023 dia nanoratra tany amin’ny CE Antanimora i Raissa fa tonga namonjy azy tao amin’ny fonjan’ny vehivavy i Sefo Tata, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany maraina. Nanery azy hanao «dementi» na fandavana ny efa voalaza ho fiarovana ireo olona voatonona tao anaty horonam-peo fifampiresahana teo Amin’i Raissa sy io mpiandry fonja io. Efa-bolana lasa no nisian’iny resaka an-telefaonina iny. Toy izao no nasain‘i sefo Tata ho ataony; “Teneno fa vokatry ny fikorotanan-tsainao sy ny olana maro mahazo anao dia lasa nanaotao foana ianao ka nahatonga anao nanao an’iny!”. Namaly azy i Raissa fa tsy misy idirany ny nampivoaka sy nahatonga ilay horonam-peo niparitaka ka tsy afaka hanao Izany mihitsy izy. Rehefa niala tao i Sefo Tata dia nampahafantatra avy hatrany an’i CE ny zava-nisy tao amin’ny trano misy azy i Raissa. Tonga tao amin’i Raissa indray anefa ireny olona miisa 2 ireny ny 19 febroary, izany hoe 3 andro nialohan’ny hitsarana azy ny 22 febroary. Nilaza ireo olona ireo fa irak’i SG ka mila miaro azy sy PG i Raissa dia foronina hoe i Fanirisoa Ernaivo no nampanao azy ilay «enregistrement» na fakana feo iny dia tsy henjehina na hamoronana dosie arapitsarana izy mivady. Ilay izy anefa zavatra tsy avy aminy sy tsy misy nidirany. Rehefa tsy nahavita nanery an’i Raissa ry zareo ny andron’io dia nandeha ny fitsarana ny 22 febroary. Gaga Izahay fianakaviana fa ny 22 febroary maraina, andro hitsarana an’i Raissa dia misy polisy avy amin’ny Bianco tonga teny an-trano ary mitady ny vadiny tsy niala teo ireo polisy ireo raha tsy hariva ary saika haka ny zanak’i zareo . Tsy tontosa ny fitsarana an’i Raissa fa hoe nisy baiko nidina dia nahemotra 28 febroary. raha tokony hivoaka ny andron’io ny didy dia lasa ny 6 martsa. Nihaino teo izahay fianakaviany ary naheno tsara fa afaka madiodio tamin’ilay raharaha izy. Efa niarahaba azy mihitsy aza kanefa rehefa niverina ny tolakandro haka ny taratasy na «extrait» dia lasa nahazo sazy 2 taona sazy mihatra, hoy hatrany ny fampitam-baovao avy amin’ny fianakaviana omaly maraina.




Source From : Tia Tanindrazana