Finaritra.

Mofonaina anio alarobia 10/05/23

Jao 14.25-26.

Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina…

Fiadanana ho anao. Jaona 14:25-26
👂Henoy mandrakariva ny Tenin’i Jesoa. Miteny amintsika foana Izy📖
✅Ao amin’i Jesoa no hahazoana ny Fanahy Masina izay irahin’ny Ray. Koa minoa an’i Jesoa🙏
🔰Raha olona mino an’i Jesoa isika dia manaiky anarin’ny Fanahy Masina☝. Aza mba ho isan’ny olona tsy laitran’ny balan’ny fananarana….olon’i Jesoa ianao👍 ka aza mamono sofina🦻
😮‍💨Tsy mba olona miaina anaty hakiviana sy hatrotrahana ny manana ny Fanahy Masina satria manana ny Fanahy Masina mampahery azy, manampy azy ary mampianatra azy.🥰
🙆‍♂️Olona mora manadino isika, ka ny Fanahy Masina ao amintsika no mampahatsiaro ny Tenin’Andriamanitra mba tsy hanotantsika💁‍♀️. Avelao hiasa ao aminao Izy.
Ho an’Andriamanitra ny voninahitra
Amen…

Homba sy hitahy mandrakariva ny Tompo….



Source From : Vona Ny Riana