Finaritra, mofon’aina ho anao.
Zoma 21 jolay 2023.
Mar. 13: 14 – 20
HEVERO NY FIFIDIANAN’NY TOMPO.
Tsy maintsy handalo andro mampahory isika:
– Fahavetavetan’ny fandravana: and-14
Fahoriana lehibe no ambaran’i Jesoa eto.
. Lazain’ny mpandinika tantara fa:
Dan. 8: 11; 9: 27; 11: 31 sy 11: 31 dia 3 taona sy tapany = 1260 andro ( calendrier Jiosy 30 andro ny 1 volana) no naharetan’ny fahoriana lehibe.
. Ny Dan. 12:11 dia 1290 androm-pahoriana. Izany hoe miampy 30 andro . and-14
“aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia. and-14”
🤔 Any an-tendrombohitra ve? afaka mitokam-bavaka
– and-15 “Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony.”
☝️Tsy ny harena, na akanjo na paozy hita maso no ho zava-dehibe amin’izany, fa ny fonao vonona ny handray ny Tompo. and-16
☝️ Hosahirana mafy ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany. and-17
👉 Satria tsy misy mahalala ny fotoana hiavian’izany andro mahory izany dia asain’i Jesoa mivavaka isika mba tsy ho amin’ny ririnina izany andro izany. and-18
☝️ Fahoriana lehibe indray mandeha tsy miverina no hataon’Andriamanitra . and-19
☝️Manafay sy manasazy ny Tompo. Tsy ny fandringanana ny vahoaka no tanjony:
. fa ny hiverenantsika aminy.
. ny hizarantsika miantso Azy amin’ny androntsika manontolo.
👉 Miverena haingana amiNY, fa efa nafohezin’ny Tompo izany andro mampahory izany, noho izaho sy ianao olom-boafidiNY. and-20.
🌹 Manàna fiainam-bavaka.
🌹 Mivonona mandrakariva hoan’ny fiverenan’ny Tompo.
🌹 Mivavaha mba haharetanao amin’ny fahoriana.
🌹 Mijanona ao amin’ny Tompo, mba hitahiaNY anao.
HIRA FFPM 506 – Tsy misy miadana ka afa-po
1 Tsy misy miadana ka afa-po
Izay monina eto an-tany ;
Fa izay tia sy mino ny Tompo
Jeso
No hahazo ny soa tsy lany.
Mba irio, mba irio
Ny hananana an’i Jeso.
2 Raha misy mahory mahazo etý,
Jeso no hanala izany ;
Tsarovy ny avotra tao Kalvary
Fa nalatsany tany ny rany,
Mba irio, sns.
3 Izaho maniry hanaraka Anao,
Ry Tompo Mpanafaka ota !
Fa fantatro tsara hatramin’izao
Ny fitiavanao ahy mpanota
Mba irio, sns.
Ho voninahitr’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Amena.
Hamindra fo aminao anie ny Tompo ka hanome fiadanana sy fiainana be dia be ho anao.
Tahian’ny Tompo.
Source From : Carol Ramaroson