MPANAZATRA VAOVAON’NY BAREA
MBOLA ANATY ADIHEVITRA
Tonga ankehitriny ny fotoana hifidianana ireo mpiantsehatra ho an’ny 4 taona manaraka eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF, raha ny fampahafantarana nataon’ny kaomisionina miandraikitra izany tetsy Isoraka io maraina io. Mbola anaty adihevitra kosa isika ankehitriny raha ny mikasika izay ho mpanazatra vaovaon’ny Barea, hoy ny isan’ny mpikamban’ny komity mpanatanteraky ny FMF mamarana fe-potoam-piasana, Alfred Andriamanampisoa. Ho fantatra tsy ho ela ihany anefa, hoy ny tenany, izany.
