Ny mety aminareo dia mangina fa tsy misy hihaino anareo intsony eo. Frantsay Rajoelina dia izay!
LOVA HASINIRINA RANOROMARO, MPITONDRA TENIN’NY FILOHA : « Ady hevitra tsy mitombina (faux débat) ny hoe mety sa tsia ny filoha Andry Rajoelina mizaka ny zom-pirenena Frantsay. Malagasy izy, ary tsy mbola nanary
ny zom-pirenena Malagasy ananany. Misy dingana tsy maintsy arahana ny momba ny fahaverezan’ny zom-pirenena ka ilay olona voakasika mivantana no mangataka dia ny governemanta no manapa-kevitra avy eo.Tsy nangataka ny hanary ny zom-pirenena maha malagasy azy ny filoha Rajoelina »