Tena tsy mahalala menatra mihitsy ilay rangahy ity sahy milaza an’izao!
Resaka zom-pirenena frantsay : “Raha izay taratasy kely 8 sm tsy hanalana ny maha malagasy ahy sy ny fitiavako ny tanindrazako. Ary vonona ny ho faty ho an’ny tanindrazako aho. Tsy resaka récompense, diso izany fa rehefa nanohy fianarana tany ivelany ny zanako dia sahirana be milahatra taratasy dia ny mpisolo vava ahy no nanolo-tsaina hoe io no ahafahan’ny zanako manohy fianarana any ivelany. Tsy nafenina, ilay taratasy dia aty am-paosy. Firifiry moa ny Malagasy manana zom-pirenena frantsay amin’izao. Tsy hiditra amin’ny resaka juridisme isika, fa mivoaka kely an’Antananarivo dia tsy misy miraharaha an’izany décret de naturalisation izany. Tsarao amin’ny asako aho fa aza tsaraina amin’ny zavatra hafa. ” Ampahana valinteny Rédaction©️Chasse-Info