Tokony ho saziana – Depiote IRD mandranitra resaka fihaviana
Jocelyn Rakotoson : tokony ho saziana mihitsy ny depiote IRD Jocelyne Maxime, mandranitra resaka fihaviana. Mankadala olo avy avaratra hono ny olo avy atsimo: “tsy olo boaka atsimo any, no hankadala antsika avaratra aty“, hoy izy.
Heritiana Rasoamiaramanana Dit Zaref : ”MIDEMISIÔNEA ANAREO, raha lehilahy” Akory soa hoe hoy Madamo?
Discours “TRIBALISTE” sady mamono Hasina ny Soatoavin’ny FIHAVANANA no manimbazimba ny lalampanorenana @ maha iray an’i Madagasikara no nataon’ny depiote Jocelyne Maxime tany Sambava.
Anthelme Ramparany : maninona tsara hono izahay avy atsimo mon frère ? Fa rehefa avy aiza de tsy mankadala ny fiantso azy? Ty vava eeee,
Francelie Berger Bemalaza : rehefa poritra dia tsy manana contrôle de soi.
Nath Rasolonjatovo : eo imason’olobe en plus !
Fisandratana Mirindra : trop c trop…
Riribe Toamasina : rehefa ny ANTOKO POLITIKA no tsy MANABE ny olom-pirenena, indrindra fa ny mpikambana ao aminy dia toa izao no toetran’ny ankamaroan’ireo mpikambana ao aminy. Tsy ampy fahalalam-pomba, mikapokapoka Karaha konkasera vaky, manavakavaka ara-poko. Raha mpanohitra no niteny toa io dia efa tany ANTANIMORA satria manavaka ara-poko.
Fisandratana Mirindra : mi-depasse borne.
Jao Heritiana Hassany : rehefa jiolahimbavy sy jiolahimboto no mitondra firenena dia ohatr’izao ny fitenenana. Dia hanantena inona eo moa isika ity. Dia mety miandry valinkafatra avy any atsimo zany angamba!
Andry Andriamamonjy : fahanan’ny sasany ity fampanantenana poak’aty sy revin-gadra rehetra ity nefa tsy mahateny. Manao vavan’ny mpiady an-tsena sisa.
Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona : tsy
mety kosa izany fiteny izany.
Francis Hary Soleman Kone : Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona : qu’elle s’excuse en public.
Clement Mahavilaza : Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona : masiaka be ilay fiteny.
Miaro Rama : ary ilay misikotra orona polisy ahoana ? Tsy vao izao io Ramatoa io no nihoa-pefy sy nanondrana dia hanao inona ianareo ? Refesiny daholo dia mimenomenona sy mijery fotsiny isika…
Endrin’i Malala Soariziky : bravo Mme VPAN Jocelyne Maxime… mahay anareo tsara zay, mazava tsara tsy mila jiro e… Raha tena Jaolahy fa tsy sarimbavy d mila mi-démissionner IRD zalahy e, ry olo boaka atsimo any e.
Riribe Toamasina : Endrin’i Malala Soariziky : olo tsy ampy fahalalana, Depute mako… mikapokapoka fahatany, tsy ampy fahalalana.